Other News

«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC

Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity. […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : hifanintsana ireo ekipa ao amin’ny Top 12

Hiditra amin’ny fanatontosana ny amboaran’i Madagasikara indray ny Malagasy Rugby. Fihaonana hamaranana ny taom-pilalaovana 2023. Hiatrika sy hiady izay hahazo izany ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12”. Hivory amin’izay, hanohizana ny fandaharam-potoana eo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana 2023, ny zoma ho avy izao, ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Malagasy Rugby. […]

INDRAY MIJERY

Notolorana solosaina sy imprimante ireo fitaleavam-paritra ara-pahasalamana misitraka ny tetikasa « Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony », andiany faharoa na Fafy2. Handray anjara amin’ny fanangonana ireo toro mahakasika ny tetikasa hanamorana ny drafitra sy ny fanombanana ny tolotra ara-pahasalamana any amin’ny faritra ny fampitaovana. Manentana amin’ny fambolen-kazo ifotony ny Graine de Vie. Mitohy […]

TARATRY ny KANTO

“Convergence”, eny amin’ny Mozaïk An­tsahabe. Fampirantiana zavakanto iombonana izy ity, izay nisokatra omaly ka haharitra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao. Ho tazana mandritra izany ny sanganasan’ireo mpanao sary sy hosodoko. Aingam-panahy marolafy, havoaka amina endri-javakanto maro karazana koa no mamoaka ny lohahevitra iombonan’ireto mpanakanto ireto. Rehefa tsy tazana elaela […]