Sabotsy 25 Novambra 2023 ho avy izao, hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra. Havoaka amin’ny fomba ofisialy ny boky « Tantely amam-bolana », mirakitra tononkalo sy riankalo sanganasan’i Faniry Ezeckiel. Boky 140 pejy. Ahitana lohahevitra miompana amin’ny fiarahamonina sy fitiavana amin’ny fomba fijery […]
Other News
Hira ara-pilazantsara: tafajoro Ny Antsa Ministry
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindramamy, ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Ny Antsa Ministry, misehatra eo amin’ny haikanto, indrindra ny hira ara-pilazantsara. Ankoatra ny antoko mpihira Ny Antsa Mass Choir na NMC, ahitana vondrona telo ihany koa mandrafitra Ny Antsa Ministry. « Mitaona ny tanora hahay handray andraikitra mba […]
Mpanao mozika sady avara-pianarana : nodimandry i JonHarp, na Ramose Jaona
Ramaroson Mamiharijaona no tena anarany. Fantatra amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fampianarana ambony, ny fitoriana ny Filazantsara fa indrindra ny mozika izy. Nodimandry, omaly, i JonHarp. Lavo ny andrarezina. Nodimandry teo amin’ny faha-68 taona ny Ramaroson Mamiharijaona. Mpanakanto mpamoron-kira sy mpitendry izy, ary ny fiangaliana ny harpa no tena […]
Herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy : 23 ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-pananahana manerana ny Nosy
Mitombo isan-taona ny antontanisa voaray momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy eto amin’ny Nosy. Efa mihasahy sy mihamaro ny olona mitoroka sy miteny ary manatona ny Sampandraharaha ka antony mahatonga izany, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Brigade féminine de proximité. Maro ny karazana herisetra […]
FANTINA sy FINTINA
Hifamotoana etsy Mahamasina indray, anio, ny Vondron’ireo kandidà 10 sy ireo mpiara-dia aminy. Hanomboka amin’ny 11 ora izany. Tsy voafaritra ny mety ho lalan’izy ireo amin’izany. Tsiahivina fa niato ny hetsika sy ny fidinana an-dalambe, omaly, taorian’ny nikasan’izy ireo hiditra ny kianjan’ny 13 mey ny alatsinainy teo. Tokony hanelanelana izao […]