Other News

Fanomanan-tena: hidona amin’i Maroc sy i Mozambique ny Barea

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny volana janoary ireo lalao roa ireo. Tafiditra ao anatin’ny fa­nomanan-tenan’ny ekipam-pirenena Mala­gasy, dia mety hisy lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique. Nanambara izany i Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, afakomaly. Raha tsy misy ny fiovana, […]

INDRAY MIJERY

Misy mpiray ombon’antoka azo ambara ho matihanina no tsy maharaka ny fivoaran’ny fiheverana ny fahasembanana, ka miteraka olana amin’ny fifehezana ny fampiatiana. Io ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra malagasy ho an’ny fahasembanana, Rakotondrazafy Falihery. Entanina ny mpiasan’ny fahasalamana hanao tomban’ezaka ny asa vita rehetra nandritra ny taona amin’ny sampana misy azy […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsirapo. Nisafidy ny Akany Fitahiantsoa ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, nanaovana “Tagnamaro”. Nanajary, nandoko, nanavao ny zaridaina sy nizara fanomezana ho an’ny ankizy ary fitaovana ho an’ny akany no natao nandritra izany. Nandramana ary nahomby. Fantatra fa hotohizana ny […]

Akademia Malagasy : omen-kasina i Régis Rajemisa-Raolison

« Oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Ireo sehatra rehetra nosahanin’i Régis Rajemisa-Raolison, tao anatin’ny taona maro (1913 – 1990), no omen-kasina sy lanja, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, rahampitso ma­nomboka amin’ny 9 ora maraina. Famelabelaran-kevitra 10 no hotontosaina, mandritra ity andro […]

Tranombokim-pirenena : hisy velakevitra atolotr’i Hobiana

« Ny filalaovana amin’ny teny : siran-daokan’ny tantara » no lohahevitra nosafidin’ny Famoloana Telozoro, iompanan’ny velakevitra anio. Hitarika izany i Hobiana Andrianimerina, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Na inona na inona dia ny asa soratr’izay nahay niangaly fitantarana no hitoetra, fa tsy izay nitantara rehetra akory », hoy […]