Nitrangana vaky fasana tao Ankiranomena fokontany Andoharano, distrikan’Ambatomainty, afakomaly. Nahazo fitarainana avy amin’ny tompom-pasana ny kaomandin’ny boringadin’Ambatomainty. Nidina nanao fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Voamarina ny tranga nandritra ny fizahana ny toerana. Vato mifanongoa voajanahary ity navadika ho natao fasana fandevenana ity. Nisy nanokatra anefa ny fasana. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany […]
Other News
Filoha Rajoelina Andry : niarahaba i Maraoka sy i Sina
Tsy mbola nifarana ! Niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka malagasy ny fanjakana Maraokanina sy Sinoa. Nampita ny hafatra, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Wang Wenbin, ny filohan’i Sina amin’izao nahavoafidy indray ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, izao. Nivoitra tamin’izany ny fiderany […]
Vonoan’olona tao Anjeva Gara : Matoky ny fitsarana ny fianakaviana
Hiakatra fitsarana rahampitso ao amin’ny efitrano fitsarana raharaha ady heloka bevava, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka Anjeva Gara, ny talata 18 avrily 2023 teo. Renim-pianakaviana iray mpandraharaha no niharan’ny vonoan’olona. Olona 11 ireo voampanga. Anisan’ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany ny vadiny. Torak’izany ny vehivavy iray, […]
Fanapahan-kevitry ny CSM: miisa 500 ny famindran-toerana ireo mpitsara
Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fiarahabana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nisy ny fisaorana ireo birao teo aloha. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sady filoha lefitra tamin’izany fa tsy mora ny asa tao anatin’ny telo taona nefa tsy maintsy notanterahina. Anisan’izany ny fanapahan-kevitra miisa […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiverina hisokatra ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa nikatona nandritra ny efa-taona. Niainga teo amin’ny garan’i Soanierana omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra ny “draisine” ampiasaina amin’ny asa fanamboarana atao ary tonga tao Antsirabe tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Hivelatra […]