Hamarana ny andian-tseho any Frantsa i Poopy. Efa tamin’ny volana oktobra no nihazo an’i Frantsa ny tarika. Seho maromaro no nomanin-dry Poopy, tontosa avokoa izany. Nahazo tombony aza ireo tsy mbola nahita, satria mbola misy seho faradoboka ny sabotsy 9 desambra izao, ao amin’ny Lapa Event, Paris. Hisy ny voandalana […]
Other News
Galerie Mozaik : haneho ny haikantony i Isaac Azaly
Tanterahina eny amin’ny Galérie Mozaik Antsahabe, manomboka ny 7 desambra 2023 hatramin’ny 6 janoary 2024, ny fampirantiana « Isegno », hanehoana ny haikanton’i Isaac Azaly. Fampirantiana anisan’ny sangany sy manana ny maha izy azy izy ity noho ny fahasamihafan’ireo haikanto ho hita mandritra ny hetsika. Eo koa ny maha mpahay kanto marolafy an’i Isaac […]
Tazanim-potsiny : simba ny teny malagasy
Na tsy mitsikera aza, tsy manitsy ! Maro ny fahadisoana (miteny, manoratra) eo amin’ny teny malagasy, ankehitriny. Iray amin’ireo loza mitatao hanimba ny teny malagasy ny dokam-barotra. Atao tery vay manta, ohatra, ny fanakambanana ny teny vahiny amin’ny teny malagasy mba hanome na hilaza hevitra isan-karazany. Porofo iray lehibe ny […]
Hiragasy : tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona
Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina! Rehefa nandalo ny dingana rehetra, nankatoavin’ny Komity faratampony eo anivon’ny Unesco ny maha harem-baboka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy. Ny haitao Zafimaniry, ny taona 2008. Ny kabary Malagasy, ny taona 2021 ary izao ny hiragasy. Afaka mirehareha fa manana azy telo ireo ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny […]
Sabotsy Albert, mpandala fomban-drazana: “Mila famerenana an-doharano ny hasin-tanin’i Toamasina”
Anisan’ny mitelina olona matetika ny ranomasina any Toamasina, renivohitr’i Betsimisaraka. Voahosihosy ny hasiny ka ilaina ny famerenana izany an-doharano. “Tsy tongatonga ho azy ny fahalasanan’ny olona na koa fiteleman’ny ranomasina olona fa noho ny fomban-drazana Betsimisaraka sy ny fomban-tanin’ i Toamasina, renivohitr’i Betsimisaraka voahosihosy”, hoy i Sabotsy Albert, fantatra amin’ny solonanarana hoe “Ombilahivola”, mpandala fomban-drazana sy […]