Mitohy ny fanarenana ny tetezam-by any Mangapaika, PK 505, RN.4. Efa nisy ny toromarika nomena ny mpampiasa lalana amin’izany fanamboarana izany, saingy nisisika niditra ihany ny kamiao iray. Efa nesorina io fiarabe io, ary efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, nanomboka omaly 6 desambra. Nisitraka masomboly vary an-drano 1512 kg […]
Other News
Fitaterana an-dalamby : hiverina ny zotra Antananarivo-Antsirabe
Hampivoatra sy hampiroborobo ny toekarena ny fiverenan’ny zotra an-dalamby mampifandray an’Antananarivo sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hiverina amin’ny laoniny indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa niato nandritra ny efa-taona. Nanamafy ny Madarail fa niverina nanomboka ny sabotsy teo ny fivezivezen’ny lamasina amin’ ireo toerana […]
Fiaraha-mientana
Mbola mitana ny sain’ny besinimaro ny mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy na misy aza ny ezaka manokana ataon’ny mpitandro filaminana. Areti-mikiky ny fiarahamonina, miankina amin’anton-javatra maro izany. Tsy vitan’ny fampiasan-kery sy ny fifanasana vangy amin’ny resaka politika ny famahana azy. […]
Antontam-baovao niomerika : nitsangana ny orinasa Nxtra Africa
Nampahafantarin’ny Airtel Africa, ny 5 desambra teo, ny « Nxtra by Airtel ». Sampan’orinasa ao aminy, misahana ny fanangonana antontam-baovao niomerika sy informatika amin’ny fifandraisan-davitra. Mamaly ny filàn’ny mpanjifa ny fitsanganan’ny Nxtra Africa, izay tsy mitsaha-mitombo, ankehitriny. Tanjon’ny Nxtra Airtel ny hanangana tambajotram-pifandraisan-davitra lehibe indrindra aty Afrika. Hananganana azy ny tanàn-dehibe rehetra ahitana ny […]
Misy mpivaro-kena maniraka… : tratra ireo tambajotra mpangalatra kisoa
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamina halatra kisoa. Ny 2 desambra 2023 lasa teo no nitrangan’izany halatra izany tao Andasy, fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Tao amina toeram-piompiana lehibe no niditra an-tsokosoko ireto mpangalatra kisoa ireto. Nopotehin’ireo olon-dratsy mialoha ny jiro manazava io toeram-piompiana io […]