Other News

Sarimihetsika: namiratra indray i Luck Razanajaona

Nivoaka tamin’ny fiandohan’ity volana novambra ity ny vaovao tsara ho an’i Luck Razanajaona, mpanatontosa sarimihetsika. Nitombo indray ny vatsy azony, avy amin’ny tetikasa « Fonds pour la jeune création francophone », ta­min’ny alalan’ny horonantsary « Mia » notontosainy. Vatsy mitentina 11 000 euros no azony vokatr’izany. Raha tsiahivina, horonantsary nataona tanora mpanatontosa afrikanina, miisa 13 […]

Harem-bakoka ravan’ny afo…: tranainy indrindra ao Antsahadinta ny tranon-dRabodozafimanjaka

Nisy fahamaizana teny amin’ny Rovan’Antsa­ha­dinta, ny alin’ny alarobia teo. Tsy nisy noraisina ny tranon-dRabodozafi­manjaka sy ireo fanaka mbola voatahiry tao. Avotra kosa ny mozea sy ireo singa hafa mandrafitra ny Rova. “Ny 1 novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, may ny tranon-dRabodozafimanjaka, vadin’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ao anaty […]

SOMBIM-BAOVAO

“World Jiu-jitsu Championship”. Hanainga anio i Fifaliana, ilay Malagasy mpikatroka nanao antso avo noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Misaotra ireo nanolo-tanana rehetra ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu. Ny alakamisy 9 novambra izy no hiakatra an-tsehatra any Abu Dhabi. Anisan’ny lalao tena nahafinaritra omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fihaonana teo amin’i Harioly […]

Tsipy kanetibe : tsy manao Mondial i Madagasikara

Ny alarobia lasa teo, nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahan­tena sy ny tanora (MJS), ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe (FIPJP). Voambara tao anatin’ity taratasy ity fa tsy afaka miatrika ny “Mondial”, izay hatao any Bangkok, ny 22-27 novambra ho avy izao, ireo sokajy lehilahy “Junior” sy vehivavy “senior” malagasy. […]

Kitra – « Mondial 2026 »: tafaverina anatin’ny lisitry ny Barea i Njiva

Nivoaka ny alarobia lasa teo, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar. Miisa 28 mirahalahy izy ireo, raha toa ka enina amin’ireo ihany no avy eto an-toerana. Tafaverina anatin’ny lisitra nataon’ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, […]