Other News

Diso kajy

  Somary nangingina ny tanàna omaly. Nilamindamina ny teto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny. Samy miandry izay hiafaran’ny toe-draharaha politika, enina andro mialohan’ny fotoam-pifidianana. Ny mpanao fampielezan-kevitra mandeha, ny mpamory vahoaka tsy miala an-daharana. Manoloana izany ny vahoaka madinika no mi­zaka ny tsy eran’ny aina. Aiza rey olona no misy kilaom-bary efa […]

Kandidà Andry Rajoelina: “Hampiakarina ny fari-piainan’ny tantsaha”

Nitohy tany Alaotra Mangoro ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nihaona taminy ny vahoakan’i Tanambe sy Amparafaravola ary Ambatondrazaka. Nitodika amin’ireo tantsaha any an-toerana ny tenany. “Maro ireo mpitondra nifandimby fa ny nanao velirano ihany no nahavita… Vitantsika izao ny lalana RN44. Voa­lohany isika amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa”, hoy […]

Hazalambo : dahalo telo lahy maty, iray azo sambo-belona

Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Lavo ny dahalo mpikotrika halatra omby. Nitsoaka mpitandro filaminana nisambotra azy, atidoha mpikotrika halatra omby roa lahy maty voatifitra tao amin’ny kaominina Tamponala, afakomaly. Nosamborin’ny zandary izy roa lahy ireo. Nentina atao […]

TSELATRA

Hivoaka ny 17 novambra izao ny didim-pitsarana mahakasika ireo olona 10 mianadahy voasambotra nandritra ny hetsika fotsy, ny sabotsy 4 novambra teo. Nolavin’ny mpitsara ny fangatahana vonjimaika ho an’ireo dimy notanana eny am-ponja, omaly. Fivorivoriana tsy nahazoana alalana sy fanaovana herisetra no niampangana azy ireo. Nihohoka tao anaty tatatra ka […]

Isotry- Mpiantsena maraina : voatsatoka antsy teo amin’ny tendany

Sady voaendaka no voatsatoka antsy ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny Ambalavao Isotry. Notrobarana ny tenda sy ny takibany raha hamonjy fodiana avy naka entana maraina. Nendahin’ny jiolahy roa nitondra antsy lavalela ny renim-pianakaviana iray 36 taona teny Ambalavo Isotry, omaly vao maraina. Notsatohan’ireo olon-dratsy antsy izy, raha nikasa haka fiara […]