Other News

Tranombarotra Super U Ivandry : maherin’ny 36 000 ny entana amidy

Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny fitsinjarana ny tranombarotra lehibe Super U. Ahitana ny vokatra eto an-toerana sy avy any ivelany, manana ny kalitao tsara amin’ny vidiny mora. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly 18 oktobra, ny tranombarotra lehibe Super U eny Ivandry. An’ny Vondrona orinasa Habibo ity tranombarotra ity, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa […]

CT Motors : mitsinjara ny vokatra “Hero”

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny vondrona CT Motors fa mitsinjara ny marika Indiana fanta-daza “Hero” eto Madagasikara izy ireo, tetsy Andraharo, ny zoma 13 oktobra teo. Anisan’ny sangany eo amin’ny sehatra maneran-tany amin’ny famokarana kodiarandroa io marika io. Mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa eto an-toerana tanteraka ny moto vokarin’io orinasa io. […]

Centre d’enfant Mandrosoa : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex

Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny foibe fanohanana an-tsekoly Mandrosoa na Centre d’enfant Mandrosoa eny Vontovorona, omaly. Na­notrona izany ireo olona maro efa nahazo tombontsoa, ny avy amin’ny ONG Yamuna ary ny kaosilin’i Espagne, Has­naine Yavarhoussen. Nahazo mari-pankasitrahana amin’ny maha ray mpiahy ny ONG azy ny kaosilin’i Espagne. Noto­lorana ireo […]

Fihantsiana sy fanapotehana fiara : nitory eny amin’ny zandary ny vondron’ny kandidà

Tsy nipetra-potsiny fa nitondra ny raharaha eny amin’ny mpitandro filaminana ny vondron’ireo kandidà 11. Nambaran’izy ireo, omaly, tetsy Antaninarenina, fa manameloka ny tranga niseho tetsy Andavamamba izy mirahalahy avy. Nitondra ny tenin’izy ireo tamin’izany ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo ka nilaza fa efa nametraka fitarainana eny amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena izy ireo, […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, hatao ny zoma 20 oktobra ho avy izao, ny manasa-dalana, Rugby Mondial 2023, any France. Ny ekipam-pirenen’i Argentine sy i Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Ny sabotsy ho avy izao, hifampitana amin’i Angleterre i Afrika Atsimo Efa tafita any amin’ny Euro 2024, […]