Other News

Kitra: Tapitra ny fitantanan’ny Me Rôrô ny Barea de Madagascar

Nifarana, ny alakamisy 7 septambra lasa teo, ny maha mpanazatra ny Barea de Madagascar an-dRakotondrabe Romual Felix (Rôrô). Miandry izay hisolo azy ny rehtra. Betsaka ny fanehoan-kevitra miseholany mahakasika ity fahataperan’ny fifanarahana aminy ity. Araka ny vaovao voaray, nifarana tamin’ny lalao nikatrohana tamin’ny Palancas Negras-n’i Angola, natao ny alakamisy 7 […]

TARATRY ny KANTO

Tontolon’ny teatra. Nodimandry i Fredy. Vitsy ny mpilalao tahaka an’i Fredy. Hoy ireo mpankafy : « tena nahay nilalao i Fredy. Nanana fahazotoana nampiaiky ny rehetra teo amin’ny filalaovana teatra ». Saika milalao fototra hatrany izy tamin’ireo anjara notanany. Fantatra fa efa nilalao teatra tamin’ ny tropy Nelson Rasamimanana sy tropy Orimbato. Hisy […]

Samoela, Rah-Chiky, Princio : nifampizara sehatra ny andrarezin’ny Vazo miteny

Notanterahina omaly tolakandro, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana, « Revy sy Vazo milay », niarahana tamin’i Princio sy Rah-Chiky ary Samoela. Vazo miteny maroloko no nameno ny sehatra, araka ny nampanantenain’ireto mpanakanto ireto. Nampiavaka ny fampisehoana ny fampiaraham-peon’ireto andrarezin’ny Vazo miteny eto Madagasikara ireto. Afa-po ny mpankafy ary manantena ny seho sahala amin’ireny […]

Fampisehoana Mage 4 : hipoka tanteraka ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena

Tafahaona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tia sy ny manina, omaly. Samy faly tokoa, ary niaraka nankafy indray ny hiran’ny tarika Mage 4, ireo mpankafy maro. Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fa­natanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana goavana niarahana tamin’ny tarika Mage 4. […]