Other News

Lalam-pirenena faha-44: Vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry, faly ny mponin’Alaotra Mangoro

Afa-trosa ! vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoakan’ny faritra Alaotra Man­goro. Foto­dra­­­fi­trasa maro no no­tokanana ta­min’ny sabotsy, tao Moramanga sy Ambatondraza­ka. Tetezana, biraon’ny kaomisaria, orinasa madinika, toby mamokatra herinatra mandeha amin’ny masoandro, sy kianja manara-penitra, ary ny lalam-pirenena faha-44. Ireo no fotodrafitrasa notokanan’ny kandidà Ra­joelina Andry, izay vao nahavita […]

FANTINA sy FINTINA

Hatao anio, eny amin’ny Ceni Alarobia, ny antsapaka amin’ny laharan’ny kandidà, anaty biletà tokana. Ho avy eny an-toerana hanatrika izany ireo kandidà miisa 13 na ny solontenany. Nampanantena ny mangarahara ny eo anivon’ny Ceni amin’izany. Hatonta any ivelany miaraka amin’ireo kojakojam- pifidianana izany rehefa vita. Voatendry ho loholona ny Jly […]

Fifidianana filoham-pirenena : 13 tamin’ny 28 nametraka antontan-taratasy no nahafeno fepetra

Navoakan’ny HCC afakomaly, ny lisitra ofisialy ho an’ ireo kandidà nahafeno fepetra, hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 ireo voailika raha 13 kosa ireo kandidà ara-dalàna, hifaninana. Nahafeno ny fepetra avokoa izy ireo. Enina amin’ireo mpifaninana, samy efa nisedra ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena avokoa. Anisany Ravalomanana Marc, Ratsie­tison Jean Jacques, […]

Potiky ny politika

  Mahatonga ny hafa hanampy na hangoraka ny hoe “mahantra”. Tokony hampiana na hovonjena izany ny mahantra: hiantrana. Amin’ny fotoam-pifidianana toy izao vao tena tsaroana ny fahantram-bahoaka? Idinana ifotony, jerena akaiky, ampanantenaina izao na izatsy… Tsy inona fa fakana ny fony sy ny vatony. Tsy hijerena lavitra afa-tsy izay handresena […]

Mitondra firenena ny governemanta : tsy nandray fahefana ny Antenimierandoholona

Nanda ny fahefana nomen’ny lalàna azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Miara-mitantana ny firenena, araka izany, ny governemanta. Nametra-pialana ny 9 septambra teo ny filohan’ny Repoblika Rajoe­lina Andry, taorian’ny fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny maha kandidà filoham-pirenena azy. Tokony hisahana izany andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika […]