Other News

Rugby – JO 2024: hidona voalohany amin’i Tunisie ny Makis

Navoakan’ny Rugby Afrique, tao amin’ny tambajotra seraserany, ny alatsinainy lasa teo, ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024), ho an’ny rugby, lalaovina olona 7, lehilahy. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Harare Sports Club Zim­babwe, ny 16 sy 17 septambra ho avy izao. Anisan’ireo hiady toerana amin’izany […]

Razafindranaivo Koloina ( Rakool) : notapahan’ny Mouloudia Club Alger ny fifanarahana

Tsy naharitra taona iray dia mody Razafindranaivo Koloina na Rakool. Nofaranan’ny klioba alzerianina, Mouloudia Club Alger, ny fifanarahana taminy. Enim-bolana teo izay no nifindran-dRazafin­dra­naivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra, tao amin’ny klioba Mou­loudia Club Alger (MCA), klioba alzerianina diviziona voa­lohany. Araka ny fikarohana natao omaly, notapahina tanteraka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampiomana ny Jirama fa hofoanana ny « auto-relevés », fakan’ny mpanjifa mivantana ny fandaniana jiro sy/na rano amin’ny kaontera. Hanomboka hitety tokantrano haka ny tarehimarika ny mpiasan’ny Jirama amin’ity volana septambra ity. Maro ireo mimenomenona manoloana izany any anaty tambajotra sosialy. Miisa 34 000 ny andrin-jiro vaovao an’ny Jirama vita […]

Alaotra Mangoro : tantsaha 3 000 nisitraka hanam-pamokarana

Nizara hanam-pamokarana, masomboly voly avotra sy zezika hiatrehana ny taom-pambolena manaraka ao amin’ny faritra Alaotra Man­goro ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana, ny sabotsy teo. Manodidina ny 3 000 ireo tantsaha nisitraka izany. Betsaka ny voka-bary simba taorian’ny filatsahan’ny havandra ny faran’ny volana jona teo. Lasibatra tamin’izay ny tao amin’ny […]

Onitra tsy voaloa: hatao lavanty ilay kamiao

Niroso tamin’ny fanagiazana ny kamiao, fananan’ny mpandraharaha iray any Antsinanangavo, Soanierana Ivongo ny vadintany, ny 8 aogositra teo. Antony, tsy notanterahiny ny didim-pitsarana mandidy azy handoa onitra mitotaly 76 tapitrisa Ar ho an’ny olona, tompona haino aman-jery tsy miankina iray any an-toerana. Toy izao ny fitsinjaran’io vola io. Onitra amin’ny […]