Other News

Randriamalala Robert Charly: “Tsy misy antony tsy haharaikitra ny fanatanterahana fifidinana”

Hanao ahoana ihany ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Tsy misy antony tsy haharaikitra ny fanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny avy amin’ny firaisamonina sivily CMVP-Safid, Randriamalala Robert Charly.Fanehoan-kevitra… “Raha ny zava-misy amin’izao, tsy misy antony tsy haharaikitra ny fanatanterahana fifidianana. Raha ny zotram-pifidianana, hita hoe efa samy vonona ny rehetra. Lalàna no mitondra izay atao […]

TARATRY ny KANTO

Hoentina any Andriampamaky ny «Tsenaben’ny boky». Ny 22 sy ny 23 septambra izao, hoentin’ny «Opération Bokiko» hivoaka kely ny renivohitra ny hetsika fanaon-dry zareo ho fampitiavana ny vaky boky. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny varotra sy fampirantiana boky, fifaninanana maro samihafa. Alahady fahatelo ao anatin’ny volana ny 17 septambra […]

Vaky boky: nandray ny « Lecture en rire » ny boriborintany fahatelo

Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, ny hetsika «Lecture en rire», nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny vondrona mpanao hatsikana Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Ankoatry ny fampahafantarana ny karazana hatsikana Stand Up. Tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy […]

« Afondasin’Andohalo »: fiarahan’ny sakafo sy ny hira

Hotanterahina rahampitso 15 septambra manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eo amin’ny Zaridainan’Andohalo ny «Afondasin’Andohalo». Hetsika hoenti-mampiroborobo ny haitao ara-tsakafo malagasy. Hanehoana sy hihinanan’ireo izay ho tonga eny an-toerana ny sakafo malagasy. Hianohana ny hira sy ny mozika miaraka amin’i Eric Rason sy Nary & Co. Mpitendry gitara, mpihira, sns, tsy […]

Haikanto sy literatiora : manohana ny talenta vao ny Hetsika

“Tsy ampy mpanoro sy mpanohana ny mpiantsehatra eo amin’ny asa soratra malagasy”, hoy i Michèle Rakotoson. Miezaka mamaly ny filan’ny sehatry ny haikanto sy ny kolontsaina malagasy ny Hetsika, ho fampivelarana sy fampiroboroboana izany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny trano famakiam-boky Mille Feuilles Behoririka, ny tafatafa sy valandresaka ho an’ny mpanao […]