Other News

Namela zava-tsarobidy ny razana: hampiranty ny « Lovan-draza » i HeryZo Ralaindimby

Manan-karena i Madagasikara. Manana tontolo iainana mahavariana. Manana kolontsaina tsy manam-paharoa, sns. Nolovain’ny Malagasy avy amin’ny razany avokoa ireny. Haneho ny maha sarobidy izany i HeryZo Ralaindimby. Hanomboka ny zoma 30 aogositra izao, tsy hifarana raha tsy ny 28 septambra. Fampirantiana hotanterahin’i HeryZo Ralain­dimby, eny amin’ny La Tein­turerie Ampasanimalo. Ranty nampitondraina […]

Rasoamaromaka Faniry sy Mika: mba ho fakan-tahaky ny tanora manoloana ny fanambim-piainana

Anarana manana ny lazany eo amin’ ny taranja rallye Rasoamaromaka Faniry sy Mika. Ma­metraka tantara, na eto an-toerana na any Fran­tsa, izy mirahalahy. Miezaka ny ho fakan-tahaka ho an’ny tanora mala­gasy izy ireo. Mpanamory fiarakodia, mpanao rallye manana fijery ambony ry Rasoamaromaka mirahalahy, Mika sy Faniry. Teratany malagasy, manana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra tsy mahomby ary tsy azo ekena intsony ny fahatarana, araka ny taratasin’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ireo mpikamban’ny governemanta. Nohitsiny fa tsy azo ekena intsony ny fahatarana sy ny tsy fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny asa. “Miandry asa mivain­gana sy famahana ny olany ny […]

Raboanarijaona Holijaona: “Mahavelombolo ny firafitry ny governemanta”

“Tsy mbola fantatra ny hoe hatraiza marina ny ho fahombiazan’ny governemanta? Ny azo lazaina: mahavelom-panantenana ny firafitry ny governemanta”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Emergence Madagas­car, Raboanarijaona Holijaona, momba ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Ny anton’ izay: hita fa efa matotra ny nisafidianana an’ireo mpikamban’ny governemanta: olona manana traikefa, teknisianina […]

Tsy maintsy tonga saina

  Hanomboka ny taom-pianarana. Efa mihazakazaka ny fisoratana anarana amin’ny sekoly, na miankina na tsia amin’ny fanjakana. Na inona na inona fahantrana, mie­zaka ary tsy mikelisoroka ny ray aman-dreny mandefa ny zanany an-tsekoly. Tsy mahasakana ny hafanam-po ny olan-tsosialy isan-karazany mianjady eny amin’ny andavanandrom-piainana. Manao izay ho afany na ny […]