Other News

SERANAn’ehoala: efa nisy sambo 65 niantsona

Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Rio Tinto ny nanamboarana ny seranan-tsambon’Ehoala any Taolagnaro. Tao anatin’ny tetikasa “Pôle intégré de croissance (Pic)”, na Tendro ifotony hisian’ny fitomboana ara-toekarena. Vita ny taona 2009, entina hivezivezen’ny entana sy ny vokatra ilain’ny faritra sy ny manodidina, sady ho an’ny fizahantany koa. Anisan’izany ny […]

Mari-pankasitrahana B Corp : banky niomerika voalohany ny MVola

Miroborobo ny tolotra ara-bola omen’ny orinasa MVola. Nanamarina izany ny nahazoany loka iraisam-pirenena, entiny hanohizany ny ezaka. Nahazo ny mari-pamantarana iraisam-pirenena B Corp ny orinasa MVola. Izy no mpisehatra amin’ny sehatra ara-bola voalohany nahazo izany eto Madagasikara ary faharoa aty Afrika. Manamarika ny fahamatoran’ny MVola, nanomboka ny niforonany ny taona […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny “campus universitaire” Andrainjato ny fivondronamben’ny mpianatra mipetraka eny sy ireo mpampianatra ary mpandraharaha ao an-toerana. Oniversite ho lavitry ny korontana sy hanjakan’ny fihavanana no tarigetra. Nandray ireo solontenan’ny mpivarotra eny amin’ny Petite Vitesse ny ekipan’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny faran’ny […]

Rugby – XXL Top 20: Fantatra avokoa ireo hiatrika ny manasa-dalana

Tontosa omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohata­penaka, ireo lalao ampahefa-dalana efatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Fantatra avokoa ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana dia ny FTM Manjakaray, ny Cosfa ny Uscar ary ny 3FB. Nivoaka sempotra ny Uscar vao nandresy ny TFA, tamin’ny isa […]