Other News

Rugby : fantatra ireo ekipa ao anaty «Top 12»

Taorian’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”, fantatra avokoa ireo ekipa tafajanona ao anatin’ny “Top 12”, ho an’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha tsiahivina, tsy natao “Top 20” intsony ny fifaninanana, araka ny fepetra notakin’ny rafitra iraisam-pirenena dia ny Rugby Afrique sy ny International Rugby Board […]

Kitra – “Orange Pro League” : mahazo 15 tapitrisa Ar ny tompondaka

Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Ekipa roa avy ao amin’ny vondrona avaratra, ary efa mifankazatra tsara. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina, ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafavoaka tao amin’ny toeram-pitrandrahana ihany ny mpiasan’ny orinasa QMM. Afaka namonjy ny fianakaviany izy ireo, rehefa nihitsoka tao am-piasana nandritra ny andro maromaro. Laharam-pahamehana ho an’ny QMM hatrany ny fifampidinihana amin’ny ankolafy samihafa satria izay ihany no ahitana vahaolana, mba hisian’ny fandrosoan’ny toekarena, sosialy ary ny asa. Nihena ny vidin’ny […]

Madagasikara sy ny UE : nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny fampiasana ny volam-panjakana

Natao sonia ny faha-30 jona lasa teo ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eropeanina. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo ami’ny fampiasana ny volam-panjakana izany. Tanjona ny hametrahana lasitra mikasika ny fitantanana. Hita ao ny fepetra amin’ny fampiasana izany sy ny fifampiraharahana eto amin’ny firenena sy ny mpiara-miombon’antoka. […]

Toliara II : niombom-po ny mponina any Benetsy

Niverina ny fitoniana ! Tanàna nisian’ny fifandirana sy ny korontana foana tany Benetsy, Toliara II, hatramin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. Niova anefa izany, satria nilamina tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena, natao ny 27 jona teo. Mahay miara-monina ankehitriny ny foko Masikoro any amin’ny fokontany Benetsy sy ny any Ampototse, na misy aza ny […]