Other News

Star – Kaonsilin’i Monaco : notolorana fitafy mafana ny zokiolona marefo

Mitohy ny asa sosialy amin’ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) ataon’ny Star. Anisan’ izany ny fitsinjovana ny zokiolona sy ny ankizy any amin’ny tokantrano sahirana. Nosa­fidiana manokana ny zokiolona marefo ho an’ity taona ity, niarahana tamin’ny Kaon­silan’i Monaco. Miisa 100 ny zokiolona any amin’ny fokontany 10, eto Antananarivo, notolorana lamba firakotra […]

Fikarakarana fifidianana: nankasitrahin’ny Pnud ny ezaky ny Ceni

Noraisin’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny alarobia, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sanogon, omaly. Nanka­si­trahany tamin’izao fihaonana teo amin’ny roa tonta izao ny asa vitan’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity. Anisan’ireo fiaraha-miasa lehibe teo amin’ny Ceni sy ny rafitry ny ONU ny tetikasa an­tsoina hoe […]

Drafitrasa stratejika 2018- 2027: nanamafy ny fanatanterahana izany ny fitondram-panjakana

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa fanavaozana ny sata sivily sy ny fiarovana ireo angon-drafitra manokan’ny olom-pirenena tsirairay avy. Nisy ny atrikasa hoentina manatanteraka izany. Tontosa, omaly, teny amin’ ny Hotel Colbert Antani­narenina, ny atrikasa nokarakarain’ny Programme de reforme pour l’efficacité de l’administration (PREA) sy ny minisiteran’ny Atitany. Izany indrindra […]

Fiombonana : “Ilaina ny fifandanjam-paritra”

“Rehefa miresaka lehiben’ ny andrimpanjakana, tokony hipetraka hatrany ny fifandanjam-paritra.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ ny antoko Fiombonana, Re­tog­niane Durlin. Efatra ny lehiben’ ny andrimpanjakana : ny roa avy eto Antananarivo, ny roa avy any avaratra. Hadino tanteraka ny any atsimo. Raha hanome tsiny ny antoko momba ny nanendrena […]

MMM: Miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra

Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Global Africa Télé Sud ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny alatsinainy teo. Nambarany fa efa mihatra eto amin’ny firenena ny fahapotehana amin’ny lafiny rehetra. Nohitsiny ho anton’izany ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Tsy demokratika intsony koa i Madagasikara, araka ny nambarany. Nanteriny fa natao […]