Nametraka fanamby goavana. Hanomboka ny faha-22 jolay ho avy izao ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Mesupres) fa efa vonona izy ireo. Nambaran’ny minisitra mpisolo toerana, Ravokatra Fidiniavo, fa efa vonona amin’ny fitaovana sy ny fandaminana rehetra ny fanjakana. Eo koa […]
Other News
Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte
Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]
«Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argentine ny amboara
Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, […]
Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus
Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]
Fandraharahana: Liana amin’ny tetikasa Odof ny mpianatra
Hivondrona sy hanangana orinasa ho azy ireo manokana ny mpianatra avy ao amin’ny Lycée téchinique profesionnel Moramanga taorian’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny herinandro teo. Nampirisika sy nanohana azy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ny minisitra dieny mbola any an-tsekoly. Orinasa azo […]






