Other News

Nosy-Be : Sambo kenyanina tratra nanjono an-tsokosoko

Tratra tany amin’ny fari-dranomasina antsoina hoe « Ban­ce du Leven » ny sambo ke­nyanina iray, nanjono an-tsokosoko tany amin’ny 87 km, avaratra andrefan’i Nosy-Be, ao anatin’ny fari-dranomasin’i Ma­dagasikara, ny 8 jolay teo. Nan­dritra ny iraka fisafoana mahazatra nataon’ny sam­bo mpa­nara-maso Antsantsa, an’ny Foibe fanaraha-maso ny jono (CSP) no nahavitana izany. Miisa 8 […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny 25% ny asa amin’ny fanarenana ny vahilava Kiembe ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mitotaly 4 927 m ity lalana ity ary 7 m ny sakany. Enje­hina ho vita amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny asa rehetra. Mampifandray ny fokontany Akiembe, Mo­tom­be ary Andranomena ity vahilava ity. Mamatsy vola ny fanatanterahana […]

FAO sy Minae : fiaraha-miasa ho an’ ny fanjarian-tsakafo

Novolavolain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tsakafo (FAO), ny taona 2019, ny hetsika « Mifampitantana » (main dans la main). Niditra tao anatin’ny hetsika i Madagasikara, ny taona 2023. Natao sonia, omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasa ny tetikasa « Tohana ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo ho an’i Madagasikara », tafiditra ao anatin’ny hetsika […]

Fambolen-kazo 2024: tratra ny 86% ny tanjona napetraka

Laharam-pahamehana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny ady amin’ny trafika sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Namintina ny zava-bita sy ny hatao manaraka ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nisongadina ta­min’ny tatitra ny mahakasika ny ady amin’ny trafikana zava-mananaina (biby sy zava-ma­ni­ry), toy […]

Fahantrana : tsy resahina mihitsy ny kolontsaina

Ilay fiheverana fa ny rindrankira eny an-tsehatra ihany no atao hoe kolontsaina no mitondra hevi-diso hatramin’izao. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara, anefa, nialoha ny nampiasain’ny vahiny ny basy aman-tafondro, ny kolontsaina no nopotehany. Noho izany, raha te hiala amin’ny fahantrana sy ny habadoana lalina, mila haverina amin’ny laoniny ny kolontsaina […]