Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 125 ny valan-javaboahary eto Madagasikara, misandrahaka amin’ny velaran-tany 9 tapitrisa ha. Anisan’ny fitaratra amin’ny fitantanana azy ireny ny fikambanana Gerp any Maromizaha, izay vao nanavao ny drafi-pitantanany. Nomena tombondahiny ny velon-tenan’ny mponina, nahatonga ny any an-toerana tsy nahitana doro ala intsony. Hohamafisina ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy […]

Ramakavelo Faly : «Azo tratrarina tsara ny mpizahatany 1 tapitrisa»

Tanjon’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028, raha 350 000 ny taona 2023 teo. Nambaran-dRamakavelo Faly, mpahay toekarena sady mpandraharaha, fa « azo tratrarina tsara io tanjona io, satria mbola malalaka ny tsena ho antsika eto Mada­gasikara amin’ny fizahantany. Raha raisina ohatra ny atsy Maorisy, tsy misy afa-tsy […]

Anosibe Ifanja : tobim-pamokarana herinaratra

Notokanana ny sabotsy 6 jolay teo ny tobim-pamokarana avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Anosibe Ifanja, distrika Miarinarivo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo sy ny orinasa WeLight Madagascar, ao anatin’ny fiaraha-miasa 3P. Manana tanjaka 33 KC ity fotodrafitrasa ity, ampiasana bateria 82 Wh. Miasa mamatsy […]

Famonoam-balala : Velaran-tany 6 000 ha ho tondrahana fanafody

Misy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana amin’ny Tafika malagasy hamongorana ny andiam-balala. Ampiasaina ny angidimby. Mamaramparana ny fotoana famonoam-balala ny Ivontoerana famonoana valala eto Mada­gasikara (IFVM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Mi­nae), ao anatin’ny fandaharanasa Defis. Miara-miasa amin’izy ireo koa ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nanainga ny […]

“Telma Coupe 2024”: lasan’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny volabe

Tafita hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny Elgeco Plus Analamanga. Tsy tafavoaka tamin’izy ireo ny CFFA Andoharanofotsy. Notoloran’ny Telma lelavola avy ireo ekipa roa niatrika ny famaranana. Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga indray ny amboaran’ny “Telma coupe de Madagascar 2024”. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no […]