Misongadina ny fivoaran’ny fadintseranana malagasy tato anatin’ny taona vitsy. Na izany aza, misy ny fanatsarana tokony hatao, mahatonga ny USAID sy ny Pnud hanohana ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Miara-miasa amin’ny fadintseranana malagasy ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Fandaharanasan’ny Firenena […]
Other News
Vovonana Firaisankina : “Mila mailo isika ivelan’ny fitondrana”
Nitondra ny heviny amin’izao volana vitsy mialoha ny fifidianana depiote izao ny eo anivon’ny Vovonana Firaisankina, amin’ny alalan’ny mpitarika ny HVM, Rakotovao Rivo. “Efa hita taratra sahady ny fiandaniana samihafa ataon’ ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony. Tsy maintsy mailo isika antoko ivelan’ny fitondrana fa efa manao ny ataony ry zareo mpitondra”, hoy […]
Jly Deramasinjaka Manantsoa : nanome toromarika ny miaramila
Nampivory ny miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika (EMA), ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny fandriampahalemana tany amin’ny faritra Bongolava, ny alatsinainy teo. Tao amin’ny «Bataillon d’infanterie» Tsiroanomandidy, eo ambany fibaikoan’ny Kly Mahatombo Deboyer no nanatanterahana izany. Hentitra ny EMA amin’ny […]
DGSR – Jly Reribake Jeannot : hapetraka ny ivontoerana fitsarana fiarakodia mpiandry raharaha
Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny fitsarana fiarakodia Alarobia, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), ny tale jeneraly teo aloha, ny Jly Kassimo Arona Besony, sy ny tale jeneraly voatendry hisolo toerana, ny Jly Reribake Jeannot. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ka hotohizana ireo ezaka efa […]
INDRAY MIJERY
Nanatanteraka fihaonana ho fametrahana modely momba ny tandindon-doza mifototra amin’ireo singa fandrefesan’ny INFORM ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny GIZ. Ho fanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika ity paikady ity, izay novolavolaina niaraka tamin’ireo firenena mpikambana. Tsy mbola midina ny vidin’ny anana sy ny legioma […]






