Mpanakanto avy any Toamasina. Ry Jô Bee indray no hitondra ny mozikany, etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra, ny zoma 2 desambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Efa tsy zovina amin’ny maro intsony eo amin’ny sehatry ny lanonana sy fety isan-karazany ireto mpanakanto ireto, indrindra amin’ny fanaovana “cover” hirana mpanakanto […]
Other News
Famoahana boky: nanolotra ny « Vorona ô! Le messager” i Edith Barijaona
Notontosaina omaly ny lanonam-panolorana ny boky nosoratan’i Barijaona Edith, zanak’i Barijaona sy O’Suzah, sy ny fanolorana mari-boninahitra ho an-dRafidimalala Robert, mpanakanto. Natolotr’i Barijaona Edith, zanaka vavy fahatelon’i Barijaona,mpanakanto sy O’Suzah vadiny , ny boky “Vorona ô! Le messager”, omaly. Nisy ny lanonam-panolorana ny boky teny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Izay natrehin-dRamatoa […]
Antenimierandoholona: hiara-kiasa amin’ ny Indianina
“Manana fandaharanasa isika izay napetraky ny filohan’ny Repoblika amin’ny fananganana indostria manerana ny distrika 119 eto Madagasikara. Mifanentana amin’izany tinady izany ny haitao indianina, ary tokony hojerena akaiky izay mba hahazoana miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’i […]
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka tsy hanelezana vaovao diso ny maha “lanceur d’alerte”
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), manoloana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy. Nohitsin’ny minisitera tamin’izany ny fisian’ireo olona sasany avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, miafina ao ambadiky ny sata maha mpisintona lakolosy “Lanceur d’alerte” azy ireo. “Atao izany mba hanaovana asa fanelezana vaovao diso, ny fanalam-baraka… […]
Mpirakidraharaha: hiverina ny karama tapaka
“Miverina ny karaman’izy ireo, ny volana desambra, satria efa miverina miasa izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Anosy, omaly momba ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 nanao fitokonana. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny zo hanao fitokonana, saingy misy fetrany : rehefa tsy misy asa, tsy misy karama. Nandray […]