Other News

Lisi-pifidianana : mpifidy 37,31 % ireo voasoratra anarana

Namoaka ny tatitry ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana tao anatin’ny roa volana ny eo anivon’ny Ceni, omaly tetsy Mahamasina. Teo koa ny fihainoan’izy ireo ny mpisehatra politika. Mahatratra 13 593 000 ny tanjona napetraka ho voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ao anatin’izao fanavaozana tanteraka izao. Miisa 5 071 688 na […]

Fihaonana tamin’ny HCC : manao tombana ny fanomanana fifidianana ny Sadc

Mitohy ny fihaonan’ny eo anivon’ny iraky ny Sadc amin’ireo mpisehatra politika sy ireo lehiben’Andrim­panja­kana. Anisan’ny nihaona tamin’izy ireo ny filohan’ny HCC, Rakotoariso Florent, tamin’ity herinandro ity. “Tonga eto izy ireo mijery ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ary koa ny hanatsarana izany. Eo koa ny tombana nataon’izy ireo manoloana […]

Varatra be !

Nirefodrefotra toy ny varatra nanimba ireo milin’ny orinasa Jirama, ny vaovao nanomboka afakomaly momba ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Nihazakazaka izaitsizy ny fipoahan’ny raharaha manodidina ny fandrobana sy fanaovana tantely afa-drakotra azy. Inona tampoka teo aza no nahatonga izany ? hoy ny maro, indrindra ny mpanaraka ny tambajotran-tserasera. Tsy misy […]

Jiolahy efa-dahy nirongo basy : voaroba ny lavanila 90 kg sy vola antapitrisany

Nanaovan’ireo jiolahy rotsak’alina, nirefotra ny basy ka lasa ny vola antapitrisany tao amin’ny fokontany Ambondrona, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 novambra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambondrona ireo efatra mirahalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo. Notifirin’ireto mpandroba ireto avy hatrany […]

Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro

Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no […]