Other News

Tantara fihaino …: hanatanteraka « Pao-tsatroka » ny VMT

Mitohy hatrany ny fanandratana ny literatiora mala­gasy, Hanatanteraka hetsika «Pao-tsatroka» ny V.M.T Vondrona mpiangaly ny tantra, ny 09 desambra 2022 ho avy izao, manomboka amin’ny 02 ora ao amin’ny Tra­nom­bokim-pirenena Anosy. He­tsika natokana hanandratana ireo olobe mpilalao, na mpanoratra na mpanatontosa tantara izany. Amin’ity indray mitoraka ity dia Ra­minosoa Jacques […]

Kolontsaina malagasy: maro ny miezaka mamelona ny fifampitsimbinana

Maro ny kolontsaina malagasy efa very nanoloana ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fanatontoloana. Isan’izany ny fifampitsimbinana. Lasa samy maka ny azy sy manao izay hivelomany ny tsirairay. Izany rehetra izany no nanosika ny fikambanana Soro­ptimist International Club Antananarivo Mandrosoa, mitsinjo sy manampy ny olona sahirana. Tanjon’ny fikambanana ny hitsimbina sy […]

Namorona ilay fandihy miavaka… : nankasitrahana, nomena trano i Bahoejy

“Bahoejy, adiresy tsy miova”, hoy ny tononkiran’i Tianjama izay. Tsy hadinon’ny rehetra ka nomena trano fonenana, ho fankasitrahana ny zava-bitany ho an’ny zavakanto i Bahoejy. Eny, olombelona tokoa ilay hoe Bahoejy! Maro ireo tsy nahalala izany, kanefa mahafantatra tsara kosa ny dihy sy ny gadona bahoejy. I Bahoejy no namorona […]

Fakafaka: Harena ny fahasamihafana !

Raha hain’ny Malagasy ny milomano ao anatin’ny harena ny fahasamihafana, hisongadina tsy ho ela i Ma­dagasikara. Sanatria hifamadika amin’izay ihany koa anefa raha mitavozavoza ny Malagasy. Saika tafiditra ao anatin’io avokoa ny lafim-piainana rehetra, toy ny toekarena, fiarahamonina, kolontsaina, politika, fanatanjahantena… I Madagasikara rahateo midadasika be ! Ho an’ny kolontsaina, […]

Governora faritra Analamanga : “Tsinon­tsi­nona izahay rehefa tsy eo ny filoha”

“Tsinontsinona izahay sy ny minisitra na tomponandraikitra, rehefa tsy eo ny fi­lohan’ny Repoblika. Inona izany no tokony hataontsika? Manampy ny filoha isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaro­maka Hery, teny Talata Vo­lonondry, ny farany herinandro teo, tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanamboarana ny lalambe migodana. Fanatanterahana ny veliranon’ny filoha […]