Nanao ranolava ny fitokanana fotodrafitrasa nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, tato ho ato. Nisy koa ny fametrahana vato fototra isan-karazany, amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ho avy tsy ho ela, ohatra, ny fiatombohan’ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Iza no tsy ho faly amin’izany? Mihazakazaka izay tsy izy ilay […]
Other News
Fanararaotana ara-nofo: mpanabe nahabevohoka mpianatry ny CEG
Mahazo vahana ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo any an-tsekoly. Mahoraka ny fiampangana mpanabe iray, omaly. Mitondra vohoka efa ho enim-bolana ny mpianatra kilasy fahavalo (4ème) ao amin’ny CEG iray ao Vavatenina. Vokany, voatery tsy maintsy nampiato ny fianarany ity zaza 16 taona ity. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana, tomponandraikitra […]
Talatamaty: telo lahy tratra niaraka tamin’ny rongony 119 fonosana
Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina an’i Talatamaty sy Ambohimangakely, ny zoma 25 novambra teo. Vokatry ny ezaka amin’ny fikarohana ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina nataon’ny mpitandro filaminana, sarona tao an-trano fonenany Talatamaty- Faralaza ny roa lahy. Noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony izy roa ireto. Nosavaina, nahitana rongony […]
VOAPOIZIN’NY SAKAFO : olona fito naiditra hopitaly
Nihinana antsantsa boriloha, olona fito indray naiditra hopitaly tao Analapasy, distrikan’i Taolagnaro, faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Naka ny hena avy tamin’ireo antsantsa roa, nahandro azy tamin’ny tokantranony ireto niharan’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireto. Nitaraina ho narary kibo sy nandoa anefa izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana (CSBII Analapasy sy CSBI […]
Ben’ny tanàna voatafika: misy zandary voasaringotra
Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny ny ben’ny Tanànan’Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, ny harivan’ny 23 oktobra teo. Voaroba sy lasan’ireo andian-jiolahy nirogo basy manodidina ny 15 isa tsy nisaron-tava tamin’izany ny vola sy findain’ireo tompon-trano. Tsy nisy maty sy naratra ireo lasibatra. « Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, tsy fantatra ihany koa ny vola […]