Nifarana, omaly, ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia (OIF), natao tany Djerba, Tonizia. Anisan’ny nandray anjara fitenenana tamin’ireo lohahevitra samihafa nandritra ny roa andro ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nambarany fa tokony hahitan’ny OIF paikady ny hampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra. “Tokony hapetraka ny rafitra hampihenana ny saran’ny […]
Other News
Fikaroham-bahaolana: handrafitra ny fanorenam-pirenena ny FFKM
Hotanterahina any Ambatondrazaka, manomboka rahampitso, ny komity foibe andiany faha-44 eo anivon’ny FFKM. Hamoaka ny fehinkevitra amin’ny famaranana izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena ankapobeny sy ny vahaolana avy amin’izy ireo momba izany. “Tsy mivaona amin’ny fanorenam-pirenena izany fehinkevitra izany”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM. […]
INDRAIMBAVA: Ny tody tsy misy !
O rey olona a! na biby izay heverintsika ho tsisy fanahy aza angamba tsy manao ho toy ny olona sasantsasany. Ankona ny tena raha nahita ny vaovao nampitaina, niaraka tamin’ny sarin-javavikely iray voaolana sady niboraka tsinay. Torak’izany ny zaza iray hafa notapahin-doha rehefa avy nanaovana ny filan-dratsy. Nihorona ny hodi-doha, […]
Itaosy: zandary roa saika hovonoina
Nokasain’ny tovolahy miisa telo hovonoina ny zandary roa lahy nanao fisafoana, afakomaly alina. Teo amin’ny Horizon Bemasoandro Itaosy no nisehoan’izany. Tsatok’antsy ! Io no navalin’ireo telo lahy rehefa nasain’ny zandary namonjy fodiana izy ireo, ny alin’ny alahady teo. Teo am-panaovana fisafoana amin’ny alina hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny toerana iny, […]
Halatra moto: jiolahy roa voasambotra
Voasambotry ny polisy ireo jiolahy miisa roa nangalatra moto. Tokantrano iray tetsy Ambodihady Ankadindramamy no lasibatr’izy ireo, ny zoma teo ka niantso polisy avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana taorian’izay. Natao ny vela-pandrika ka nanaraka ny lalan’ireto jiolahy ireto ny polisy. Vokany, tratra teny Andranomena niaraka tamin’ilay moto ireo jiolahy, hoy […]