Other News

Fihariana : mbola ambany ny fanjifana ronono

Anisan’ny sakafo mitondra otrikaina maro isan-karazany ny ronono. Mbola ambany anefa ny tahan’ny fanjifana izany eto Madagasikara. “Manodidina ny 16 litatra isan’olona, isan-taona izany, raha 40 litatra isan-taona, isan’ olona ho an’i Afrika ary 200 litatra isan’olona, isan-taona ny any Eoropa”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nankalazaina ny […]

Fahatapahan-jiro lavareny : tsy ampy ny tahirin-tsolika mavesatra ao amin’ny Jirama

Miteraka fimenomenonan’ny olona ny delestazy lavareny ataon’ny Jirama. Simba ny asa rehetra mila herinaratra, indrindra ny fidiram-bolan’ny mpanjifa. Ora vitsy anatin’ny an­dro iray sisa no mahazo herinaratra ny mpan­jifa. Tsy nisy kosa ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro sy ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Ankehitriny, miverina ny delestazy, mihamafy […]

“World Cup 3×3” – Coach Deda: nitaky tanjaka be ny lalao rehetra

Nifarana hatreo ny lalan’ny Ankoay, tao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, tany Vienne Autriche. Laharana fahefatra i Madagasikara tao amin’ny vondrona nisy azy, rehefa naharesy an’i Frantsa, 21 no ho 20. Mitondra ny fomba fjeriny ny Mpanazatra Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda). *Gazety Taratra : Nanao ahoana ny […]

Nosy Sainte-Marie : hiverina ny “Festival des baleines”

3 taona no tsy nisy ny hetsika. Nampahafantarina oma­ly, tetsy amin’ny campus Telma Andraharo, fa raikitra ny « Festival des baleines » andiany fahenina. Hotontosai­na ny 15 hatramin’ny 23 jolay izao izany, any amin’ny Nosy Sainte Marie. Toa ny mahazatra tamin’ny andiany teo aloha, fampiarahana ny ko­lontsaina, ny fizahantany, ny fanatanjahantena ary […]

60 taona an-tsehatra… : hanome voninahitra an’i Mamy ny tarika MR Razafy

Hiverina an-tsehatra ny tarika MR Razafy. Zava-dehibe loatra ho an’ny mpankafy ny fahenoana izany, indrindra taorian’ny raho-manjombona noho ny nahalasanan’i Mamy, ny volana oktobra 2022. Ho fahatsiarovana azy indrindra, hataon’ny tarika ho fanomezam-boninahitra an’i Mamy ny seho hotontosaina rahampitso alahady 4 jona, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 2 ora […]