Other News

Fanarenana ny endri-tany sy ny atiala : natsangana ny tetikasa “Tefiala” hanarenana ny ala simba

Mila arenina ny tontolo iainana mba hanatsarana ny endri-tany sy ny atiala ary ny fiveloman’ny vondron’olona ifotony. Tafatsangana ny tetikasa “Tefiala” hiasana mandritra ny dimy taona hanarenana ny tany sy ny ala simba amina velaran-tany 4 tapitrisa ha. Fanatsarana mirindra ny endri-tany sy fanarenana ifotony ny atiala amina velaran-tany mirefy […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Manahirana ny fanovana lalàm-pifidianana”

Tsy manana fahefana ha­nova ny lalàm-pifidianana ny governemanta, volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. “Ny zava-misy: miroso isika, ha­taontsika araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ny fifidianana. Tsy maintsy amin’ity taona ity izany, izay takiana aminay mpitondra”, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny ta­titry ny asan’ny governemanta, taona 2022, omaly. Fi­haonana […]

Matoky tena, mizara fahefana !

Sambany tao anatin’ny dimy taona nitondran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry no nisafidy ny nampita andraikitra tamin’ny mpiara-miasa aminy izy. Iraka no nandray ilay amboara goavambe azony tany Afrika, mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa na ny “Super Prix Grand bâtisseur-Trophée Babacar Ndiaye 2023”. Sady zava-dehibe ho an’ny tenany manokana no reharehan’i Madagasikara, saingy […]

Mpianatra novonoina : nogadraina ny sakaizany sy ny tompon-tranony

Ny faha-5 ny volana mey, hita faty nihantona tamin’ny manga i Salohy, mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ahina ho namono azy ny sakaizany sy ny tompon-tranony. Olona efatra naiditra am-ponja afakomaly, taorian’ny fanadihadiana. Nidoboka am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny sakaizan’i Salo­hy, ilay tovolahy namoy ny ainy, hita faty nihantona tao amin’ny faritry […]

Nidaroka olona teny Avaradoha : naiditra am-ponja eny Antanimora ireo miaramila enin-dahy

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo miaramila enin-dahy voarohirohy ho tom­pon’antoka tamin’ny fidarohana sy fandratrana ireo olona teny Avaradoha. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny herisetra nataon’izy ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ireo lehibeny ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandary mpanao famotorana. Nanao fanambarana rahateo […]