4X4 nivadika teny amin’ny RN44: Profesora sy ny ramatoa vadiny namoy ny ainy

Loza nahatsiravina! Indray namoy ny ainy ny Profesora iray sy ny vadiny, niharan’ny fivadihan’ny fiara tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faha-44, teo Andranokobaka-Andilanatoby, Ambatondrazaka, omaly. Tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka, fiara tsy mataho-dalana  iray marika “Rexton” no nivoaka ny  arabe ary nifatratra tany anaty kirihitra. Nikasa hihazo an’ Ambatondrazaka, hamonjy raharaha io fiara nitondra fianakaviana iray io. Nandeha mafy ka nitarika ny loza. “ Noho ny faharatsian-dalana tampoka, mety ho taitra ilay mpamily ny fiara ka niafara tamin’ny fivoahana ny arabe”, hoy ny zandary ao Vodiala. Nanitsaka ny hisatra avy hatrany noho izany ny mpamily ka nitarika ny fivadihan’ny fiara. Vokany, namoy ny ainy teo noho eo ny iray. Tsy tana koa anefa ny ain’ny vadiny fotoana fohy taorian’izany. “Profesora, mpampianatra eny Vontovorona io raim-pianakaviana io ary niara-maty izy mivady”, hoy ny zandary. Efa mananika ny faha-65 taonany ka tsy nahazaka ny dona nahazo azy nandritra ny loza io profesora io sy ny vadiny.

Zaza ny roa tamin’ireo nentina eny amin’ny hopitaly…

Nifamonjen’ireo nanatri-maso, nentina nihazo ny hopitalin’i Moramanga ireo dimy naratra tao anatin’io fiara tra-doza io. Zaza kosa ny roa tamin’ireo niharan-doza ireo ka arahi-maso akaiky ny fitsaboana  azy. Anisan’ny voa mafy koa ny mpamily ny fiara.

Niseho lany tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Anisan’izany  ilay nahafatesana olona folo tao Marovolavo Beforona RN2 rehefa avy niatrika ny zaikaben’ny vehivavy Loterana tany Fianarantsoa, ny alatsinainy lasa teo. Manentana hatrany ho an’ireo mpampiasa lalana hanaja ny hafainganam-pandeha araky ny tokony ho izy ny zandary hisorohana ny loza tahaka izao. 

Tsiferana R.

Partager sur: