Fihaonana an-tampony Afrika-Rosia : Homen-danja ireo tovovavy malagasy sy afrikanina

Anisan’ny misitraka ny tetikasa maro avy amin’ny Ro­sianina ny zatovo malagasy. Mana­mafy ny fiaraha-miasa toy ny firenena Afrikanina maro i Madagasi­kara.

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony fahatelo momba an’i Rosia sy Afrika, izay natao tany Moscou ny 28 sy 29 Oktobra 2026. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Ny kly Randrianirina Michaël. «Nanome tosika vaovao ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy Afrika ny fihaonana izay fanohizana ny fivoriambe tamin’ny 2019 sy 2023», araka ny nambaran’i Iouri Ouchakov, mpanampy ny Filohan’i Rosia. «Manga ny lanitra eo amin’ny roa tonta», hoy hatrany izy.
Mahakasika manokana an’i Madagasikara dia nilaza ny Filohan’ny Federasiona Rosiana, Vladimir Poutine, fa vonona ny hampivelatra ny fiaraha-miasa amin’i Mada­gasikara izy ireo. “I Madaga­sikara aminay dia mpiara-miombon’antoka manana ny lanjany eo amin’ny fitandroana ny filaminana iraisam-pirenena. (Ordre Mondial). Vo­nona izahay hampiroborobo ny fiara-miasan’ny firenena roa tonta hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny eo anivon’ny firenena mikambana”, hoy hatrany izy nandritra ny fihaonana tamin’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana.
Marihina fa porofo enti-mifamatotra ny fanitarana ny tambajotran’ny Trano Ro­siana. Hisy foibe valo hisokatra eto Madagasikara, Re­poblika Demokratikan’i Con­go, Mali, Sao Tomé-et-Prin­cipe, Sénégal, Sierra Leone ary Togo. Toerana vaovao hifanakalozana fahalalana, hampiharana ny teny ary hahazoana torohevitra mom­ba ny lalam-piofanana sy ny asa toy ny etsy Ampefiloha izany.

Samy mahazo tombony ny andaniny sy ankilany

Misongadina amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy Afrika ny fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny asa “Alabuga Start”. Ao amin’ny faritra ara-toekarena manokana “Alabuga” any Rosia no iasany. Natao ho an’ny tovovavy 18 ka hatramin’ny 22 taona, anisan’izany ireo avy amin’ny firenena afrikanina. Manolotra tombontsoa sarotra refesina amin’ny lanjany izany: asa ara-dalàna, fiofanana arakasa, saran-dalana ana habakabaka maimaimpoana, trano fonenana azo antoka ary karama 706 dolara isam-bolana. Miasa amin’ny sehatra valo tena ilaina eny amin’ny tsenan’asa ireo mpandray anjara, manomboka amin’ny fampandehanana ny famokarana ka hatramin’ny lozisialy sy ny asa fanorenana, ary mahazo mari-pahaizana eke­na eo amin’ny tsenan’asa iraisam-pirenena.
Fampidirana marina eo amin’ny sehatra ara-toekarena izany. Mahazo asa matihanina, fidiram-bola ary traikefa azo ampiharina any an-tanindrazany na entina manohy asa any Rosia ny tovovavy afrikanina. Efa nahangona mpandray anjara maherin’ny
1 000 avy amin’ny firenena 86 ity fandaharanasa ity, ary mivoatra mavitrika ny fandraisana anjara avy amin’i Afrika. Efa tafiditra tao anatin’ity vondrom-piarahamonina ity ny tovovavy avy any Oganda, Kenya, Nizeria, Etiopia, Afrika Atsimo ary firenena hafa, ka nahazo fahaiza-manao arakasa tena izy.
Mametraka ny fotodrafitrasa ilaina amin’ny fiaraha-miasa maharitra ny Fihaonana an-tampony Rosia–Afrika sy ny fanokafana ny Trano Ro­siana. Ny fandaharanasa tahaka ny “Alabuga Start” anefa no manome votoaty sy dikany mivaingana izany fiaraha-miasa izany. Asehon’izy ireo fa tsy fifanarahana an-taratasy fotsiny ny fiaraha-miombon’antoka, fa fahafahana ho an’ny olona tsirairay ihany koa.
Ho an’ny tovovavy afrikanina, fahafahana hahazo asa matihanina, fahaleovantena ara-bola ary fahatokisana ny hoavy izany. Ho an’ny kaontinanta kosa, fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny renivola maha olona izany; mody any an-tanindrazana miaraka amin’ny fahaiza-manao sy traikefa vaovao ireo olona ireo. Azo inoana fa amin’ny alalan’ny fandaharanasa tahaka izao no anorenan’i Rosia sy Afrika ny hoavy resahina eny amin’ny sehatra ambony indrindra.

Asa avy hatrany

Tsy mijanona resaka momba ny soatoavina fa asa avy hatrany ny Fihaonana an-tampony Rosia sy Afrika. Matoky i Rosia sy ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina fa hanome tosika vaovao ho an’ny fifandraisana izany. Anisan’ny sehatra miha mivoatra ny mahakasika ny tanora, izay hoavin’ny kaontinanta. “Mahita ny fisian’ny tontolo iray misy ivon-kery maro isika. Tsy azo ihodivirana izany izay mifototra amin’ny zava-misy ankehitriny”, hoy i Vladimir Poutine, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ho an’ny daholobe, niompana ta­min’ny lafiny toekarena sy maha olona avy amin’ny Rosia sy Afrika. Nohamafisin’ny mpizaika fa tsy voatery hifantoka amin’ny resaka politika ny fifandraisana. Zava-dehibe ny maha olona satria izy ireny no olona manana fahafahana hanova ny fiainany. Miainga amin’ny fiaraha-miasa nipoitra avy amin’ny dinika.

Tranoben’i Rosia

Maherin’ny 37 000 ny mpianatra afrikanina misoratra anarana any amin’ny oniversite rosiana, ankehitriny. 17 500 izany tamin’ny taona 2020. Miparitaka amin’ny toerana maro ny mpianatra fa tsy mijanona samy irery ao Moscou. Misy ny mandranto fahalalana any amin’ny foibe lehibe ara-tsiansa sy ara-panabeazana toa ny any Tomsk, Novossibirsk, Kazan ary Iekaterinbourg. Maneho izany fa mitombo ny fahalianana amin’i Rosia.
Nanao sonia fifanarahana momba ny fanokafana foibe vaovao any amin’ny firenena 11, afrikanina ny valo amin’ireo, i Igor Tchaïka, lehiben’ny Foibe Rosiana momba ny Siansa sy ny Kolontsaina, “Rossotroudnitchestvo”. Toerana ahafahan’ny tovovavy sy ny tovolahy afrikanina mahafantatra ny fahafahana hianatra sy hiasa any Rosia, ary mahazo torohevitra momba ny fandaharanasa fifanakalozana sy ny asa izany. Ireo no toerana voalohany ifandraisan’ny mikasa hifindra monina na hampandroso ny asany any Rosia. Ao ihany koa no ahafahan’ny tanora afrikanina mahafantatra ny fandaharanasa manokatra varavarana ho amin’ny fahafahana tena misy.

Nanatontosa : Riana Raymond
Sary : Fiadidiana ny Repoblikan’ny Fanavaozana
Trano Rosia Madagasikara

Partager sur: