Afrobasket U18 – Manasa-dalana: Nanao pay-droa, samy tafakatra ny Ankoay lahy sy vavy

Samy nahazo ny tapakila amin’ny dingana manasa-dalana avokoa ny Ankoay zazalahy sy zazavavy eo amin’ny fifaninanana Afrobasket, sokaky latsaky ny 18 taona. Na izany aza, miandry azy ireo ny andrarezina afrikanina eo amin’ity taranja ity.

Fahombiazana tanteraka ho an’i Madagasikara! Samy tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana ny Ankoay zazalahy sy zazavavy. Horakoraka ny heno na ny teto Antananarivo na ny tany Antsirabe, tao anatin’ny lalao ampahefa-dalana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Afrobasket U18 lahy sy vavy. Nitsikian’ny vintana ny Ankoay Madagasikara, nanoloana ny mpifanandrina taminy. Ho an’ny sokajy zazalahy, isa 59 no ho 47 ny nandavoan’i M’Madi sy ny namany ny ekipan’ny Syli an’i Ginea. Nitarika tamin’ny ampaham-potoana voalohany ny ekipan’ny Coach Meme, raha toa ka somary namotsotra kely tamin’ny ampaham-potoana faharoa sy fahatelo, saingy niverina tamin’ny heriny tamin’ny ampaham-potoana farany, rehefa nahazo fankaherezana tamin’ireo mpijery marobe, ka nivoaka ho mpandresy mazava. “Lesoka foana ny fanariana baolina diso tafahoatra, eo ihany ny lancer franc izay maro tsy tafiditra”, araka ny nambaran’ny mpanazatran’ny Ankoay zazalahy, taorian’iny lalao iny. Ny ekipan’ny Aigles an’i Mali, ekipa tompondaka, ny hifandona amin’ny Ankoay zazalahy ho amin’ny rahampitso mandritra ny lalao manasa-dalana.

Navotan’ny isa telon’i Marion ny  zazavavy

Ady hatramin’ny farany ny natrehan’ny ekipa malagasy zazavavy, nanoloana ny ekipan’i Tanzania, tao amin’ny Kianja mitafon’i Vatofotsy Antsirabe. Isa telon’i Marion Fitia, teo amin’ny sengondra farany, ny nahazoan’ny Ankoay zazavavy ny tapakila hiatrehana ny manasa-dalana anio. Na dia nitarika 18 n oho 10 aza ny Malagasy nandritra ny ampaham-potoana voalohany, tsy nanaiky lembenana ry zareo tanzanianina fa nanenjika hatrany. Isa tery dia tery 42 no ho 38 ny nisarahan’ny roa tonta teo am-pialan-tsasatra ka nahazo tombony i Tanzania. Nifandimby ny fampidiram-baolina nanomboka teo amin’ny ampaham-potoana fahatelo ka 61 no ho 59 ny isa teo am-piafaran’ny lalao. Ny ekipan’i Egypta kosa ny hihaona amin’ny Ankoay zazavavy, amin’ny lalao manasa-dalana, ekipa isan’ny sangany eto Afrika.

Mi.Raz

Partager sur: