Nosakanan’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny Tim any Antsiranana

Tsy afa-bela isaky ny hihetsika. Tsy tanteraka indray ny fivoriana, nokasain’ny antoko Tim  hotanterahina tao Antsiranana, omaly. Tahaka ny efa nanakanana ny tetsy amin’ny Magro Behoririka. Miatrana avokoa ny Emmo/Reg amin’ireo toerana ireo.

Nahitana mpitandro filaminana avokoa ireo lalana mihazo ity toerana any Antsiranana ity. Tsy nahazoana alalana io hetsika famoriana ny Tim io, araka ny nambaran’ny OMC sy ny Prefektiora any an-toerana. Efa any avaratry ny Nosy nanomboka ny alahady teo rahateo ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, mifanotrona amin’ireo mpino FJKM.

Etsy andaniny, tsy miala vehana fa etsy amin’ny Magro Behoririka hatrany isaky ny asabotsy  sy ny omaly 10 aogositra ireo eo anivon’ny Emmo/Reg. Miaraka amin’ny fiara 4×4 sy kamiao maromaro izy ireo amin’izany ankoatra ireo mpitandro filaminana marobe, miatrana sy mandeha misafo ny manodidina. Tahaka izany koa ny eny amin’ny Gara Soarano sy eny Ambohijatovo isaky ny asabotsy.

Synèse R.

Partager sur: