Dimy andro nigadrana: zandary nanao kolikoly maty tao am-ponja

Maty tao am-ponjan’Antanimora, omaly, ny zandary kilasy faharoa, nanao kolikoly sy nangalatra tahirin-kevitra momba ny fanadihadiana nataony. Dimy andro taorian’ny nigadrany no nisehoan’izany. Nivoaka ra ny vavany!

Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy, miandry ny valin’ny autopsie isika”, izay no namalian’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fonjan’Antanimora, omaly (fanadihadiana ifotony tamin’ny 11 ora maraina), raha nanontaniana mikasika ny nahafaty an’ity zandary iray teny an-toerana ity. Dimy andro  taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika azy no nitrangan’izany. Maty, nahitana ra nivoaka ny vavany ary tsy maintsy nirosoana ny fitiliana ny razana na ny “autopsie”.  Manamafy izay  ny avy eo amin’ny kaompanian’Imerina Afovoany, mpiahy ny toeram-piasany eny Ambohitrandriamanitra, borigadin’i Mantasoa. ”Tsy manam-baovao hozaraina aminareo izahay. Tsy afaka ny hilaza na inona na inona raha tsy vita ny fitiliana ofisialy ataon’ny manam-pahaizana na ny autopsie. Fa raha ny fantatra tamin’ny fianakaviany sy ny  mpiara-miasa, nanana olana ara-pahasalamana, indrindra ny vavony izy. Tsy afaka ny hanamarina na tsia ny mety ho fifandraisan’izany izahay”, hoy ny manamboninahitra iray azo an-telefaonina, omaly folakandro ( tamin’ny 4 ora).

Etsy ankilan’izany kosa, araka ny vaovao farany voaray, mialoha ny fanotana ny gazety ( 10 ora alina)  dia ”Hematemèse” na ”Hemorragie digestive haute” no voalaza fa nahafaty azy.

Kolikoly

Raha tsiahivina, vesatra telo no niampangana ity zandary kilasy faharoa ity. Voalohany, ny fanaovana kolikoly. Nandraisany vola mitentina 1 000 000 Ariary tamin’ny olona nanana raharaha tao amin’ny borigady. Ireto farany anefa, voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nahafaty zaza 10 taona. Faharoa, fangalarana ny antontan-taratasy na ny tatitra mirakitra ny fanadihadiana sy ny fakana am-bavany ireto voampanga ho nahafaty olona. Nentiny nody, nafeniny ny lehibeny ny kahie nirakitra izany, nolazainy fa very. Fahatelo, ny fanararaotam-pahefana, fahasahiana nandainga tamin’ny lehibeny. Nolazainy fa nanolotra ny raharaha mikasika ity lozam-pifamoivoizana ity, tao amin’ny fampanoavana Anosy izy. Nambarany fa nahazo fahafahana vonjimaika ny voampanga. ”Tsy tonga tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy akory izy ny 23 oktobra 2022”, hoy kosa ny loharanom-baovao nanontaniana tao amin’ny Fitsarana, omaly, nandritra ny angom-baovao natao.

Tsimatimanota

Lozam-pifamoivoizana, niseho ny 04 oktobra 2022 lasa teo no niatombohan’ny raharaha. Maty noho ny fandonan’ny fiara azy ny zazalahy 10  taona.  Seho nitranga teny Ambohitrinibe, fokontany Ambohitrandriamanitra, distrikan’i Manjakandriana. Ilay zandary kilasy faharoa no nanao fanadihadiana sy voatendry hanatitra ny raharaha teny amin’ny fitsarana, ny 23 oktobra 2022. Nanomboka teo no nandainga sy nanao tatitra diso izy. Ny faha-2 novambra 2022, nitaraina ny havan’ilay zazalahikely fa tsy nisy tohiny ny raharaha. Gaga ny rehetra  satria  efa ho 10 andro talohan’io no voalaza fa nandeha fampanoavana ny raharaha. Nisy ny famotorana sy fanadihadiana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Vaky ny resaka fa nandray vola 1 000 000 ariary ilay zandary, mba hanafina ilay raharaha sy ny taratasy rehetra. Andro vitsy taorian’io, nampanantsoina taty an-drenivohitra natao famotorana izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy, tamin’ny resaka kolikoly sy halatra tahirin-kevitra. Natao ny fisavana ny tranony ka hita tany ny antontan-taratasy. Nosamborina niaraka tamin’ny olona enina, voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana sy ny kolikoly. Niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly izy ireo ny 10 novambra lasa teo. Naiditra am-ponja vonjimaika ny androtr’io ihany ilay zandary sy lehilahy dimy hafa: mpamily, tompon’ny fiara, mpiray tsikombakomba hafa. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny renim-pianakaviana tompon’ny fiara.

Betsaka ny feo miely sy ny tombantombana momba ny nahafaty azy. Andrasana ny valin’ny ”autopsie” na ny fitiliana ny razana. Efa nalain’ny fianakaviany ny razana.

r.r sy Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: