Tsy lasa lavitra! Voasambotry ny polisy ireo jiolahy miisa fito, voalaza ho nanao ilay halatra mitam-piadiana, teny Ambohidahy Ankadindramamy, ny 08 novambra teo. Omaly, niakatra fampanoavana ny raharaha. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana avokoa izy rehetra. Voasambotry ny polisy ny alakamisy sy zoma teo ny dimy tamin’ireo jiolahy. Isan’izany ny lehilahy miisa efatra sy vehivavy telo. Tratra tamin’ireo andro ihany koa ireo namany hafa niray tendro tamin’ity halatra ity.
Tsiahivina fa nanafika mpivarotra vato sarobidy, teny amin’ilay toerana voalaza etsy ambony, ny 08 novambra teo, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ireto jiolahy ireto. Miisa telo ireo mpanafika, vehivavy ny iray, lehilahy kosa ny roa. Voairaka hangalatra ilay vato sarobidy tao amin’io trano io ireo olon-dratsy. Nandritra izay, voadaroka ny tompon-trano. Voaroba ilay vato ary nitsoaka ireo jiolahy. Taorian’io, nitory teny amin’ny polisy ilay lasibatra, nisokatra ny fanadihadiana, nandeha ny hazalambo. Ny alakamisy teo, tratra teny Ambodirano Ivato ny lehilahy iray atidoha nikotrika ny fanafihana. Mifandray matetika amin’ilay lasibatra tompon-trano voatafika izy, hoy ny polisim-pirenena. Tratra niaraka taminy, teny Ankadikely Ilafy koa ny vehivavy iray, tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Ny ampitson’io, voasambotra tany Andranoro Antehiroka i Rasta niaraka tamin’ilay basy nampiasaina. Niara-voasambotra taminy teny Antaninanandrano koa ireo vehivavy roa nanafina ny entana halatra. Mbola tratra tao an-tranon’izy ireo ilay vato sarobidy, hoy ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani