Hampivoatra ny kolontsaina: Mila hampanjakaina ny fifanakalozana

Anisan’ny hisongadina mandritra ity volana jona ity ihany koa ny fanehoana ireo kolontsaina maro misy eto Madagasikara. Fotoana ahafahana manararaotra ny hanatevenana ny fifanakalozana eo amin’ny samy Malagasy sy eo amin’ny samy mpanakanto na mpikirakira zavakanto izany. Io matetika no tsy ampy ka tsy mampivelatra ny zavakanto eto an-toerana.

Mihidy na voahidy any amin’ny toerana iray ny kolon­tsaina sy ny zavakanto, hany ka zara raha fantatry ny Ma­lagasy. Ny vahiny izay liana sy manana fahefa-mividy hijery sy hanjifa azy ireny sisa no manao izany.
Vitsy amin’ny Malagasy monina eto afovoantany, ohatra, no mahalala sy mahafantatra ireo karazan-dihy na hira na lalao isam-paritra. Variana raha sendra ny dihy salegy. Tahaka izany koa ny monina any amorontsiraka, mety tsy mahalala ireo fomba atao amin’ny «mivoaka itany» eto afovoantany, sns.
Io mampidadasika an’i Madagasikara sy ny maha maro ny karazana fomba amam-panao ao aminy io no miteraka ny «harena ny fahasamihafa». Ny volana jona tahaka izao no mila hararaotina hisian’ny fifanakalozana. Hisy ny fihaonana momba ny teny. Ny lanonana na sehatra ho an’ny ankizy. Ao ihany koa ny fankalazana ny fiverenan’ ny fahaleovantenam-pirenena, sns. Fotoana ahafahana mifanakalo kolontsaina sy zavakanto ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: