Niendaka ny tafo, potiky ny orana niampy avandra ny sekolim-panjakana CEG, tao Ambatoboeny, afakomaly hariva. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ny ora-nikija. Efa rava avokoa, araka izany, ireo mpianatra. Araka ny tatitra voaray, potika ny rindrina sy ny kojakojan’ny trano fianarana. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, indrindra ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena hijery ireo mpianatra, araka izany, ireo mponina ao an-toerana. Tsy manana sekoly hianarana ny mpianatra amin’izao fotoana.
Tsiferana R.