Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo telo lahy saron’ny polisy nidoroka rongony teny Ambohimiandra. Ny alatsinainy teo, voasambotra andro antoandrobenanahary izy telo lahy ireto. Tratra ambodiomby nifoaka rongony tsy lavitra ny “villa Berlin” izy ireo ka nalefa teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany. Nandritra ny fisavana natao, mbola nahitana fitaovana toy ny “poing américain” teny amin’izy telo lahy ireto. Fantatra ihany koa tamin’ny famotorana fa miasa amina taksibe eto an-drenivohitra ireo voasambotra saingy sahy midoroka ity zava-mahadomelina ity. Niaiky tokoa izy telo lahy fa nifoaka rongony ka natolotra ny fampanoavana vao vita ny fanadihadiana.
Tranga toy izao no mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hiaraha-mahalala ny voka-dratsin’ny fidorohana rongony. Ao koa anefa ireo lasa miankin-doha tanteraka amin’izany ka lasa manatao foana. Misy ireo mahavita manao mpamosavy malemy mihitsy ka mandripaka ny ao an-tranony hitadiavana sy hifohana rongony. Tsiahivina fa maro tsy voatanisa ireo efa voasambotra sy voasazy noho ny fandraisana ity zava-mahadomelina ity. Betsaka ihany koa ireo nopotehin’izany.
Henintsoa H.