Hanaovana “Ody gasy”: loharan’ireo olon-dratsy ny voamason-drazana

Zava-doza no nafitsok’ireto olona efatra mianadahy, tao Vangaindrano, afakomaly. Noloharan’izy ireo, tany anaty fasam-pianakaviana ny voamason’ny razana miisa valo. Namadika azy ireo anefa ny ati-maso 16, nentina nitadiavana mpividy. Nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taorinan’ny fanomezam-baovao nataona olon-tsotra, afakomaly.

Nilaza ny loharanom-baovao, niantso an-telefaonina fa: “Misy andian’olona mitondra maso any, mitady olona hividy”. Nametraka ny velam-pandrika ny mpitandro filaminana. Nijabaka ka noraisim-potsiny ireo mpangalatra taova sy mpanimbazimba razana ireto. Voasambotra ny efatra mianadahy nahitana lehilahyroa sy vehivavy roa.

Mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny zandary, ankehitriny. “Tsy mbola misy azo ampitaina aminareo, mikasika ny vaovao. Indrindra mikasika ny mpividy sy ny vidin’ny taovana tahaka itony”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Vondrotobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Atsimo Antsinanana, misahana ny famotorana.

Mafy vava, tahaka ny mpangalatra taolam-paty ny mpanao trafikana voamaso amin’izao fotoana izao, araka ny angom-baovao azonay. Nilaza kosa anefa ny mpanao famotorana amin’ny ilana ny voamaso: “Hanaovana ody ratsy, miaraka amin’ny asan-jiolahy sy ny fandikan-dalana samihafa, ilay izy. Tahaka izany hoe hanaovana masobe tsy mahita izany, hono”, hoy hatrany ity manam-boninahitra ity.

Tsiahivina, tsy any Atsimo Antsinanana ihany no misy trafikana voamaso tahaka izao. Nisy ny faha-8 ny volana novambra lasa teo ny roalahy, voasambotra, niaraka tamin’ny voamasokely miisa 30, tao Morondava.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: