Maty daroky ny ray aman-dreniny: Nalevina antsokosoko i Finaritrasoa Valimbavaka

Maty noho ny kapoka sy fampijaliana nataon’ny ray aman-dreniny i Finaritrasoa Valimbavaka, vao enin-taona, monina eny Ambohijafy, Fenoarivo. Nalevina antsokosoko ny razana. Taorian’ny fanadihadiana, olona telo no voarohirohy.

Tsy arakaraka ny anarany, Finaritrasoa Valim­ba­vaka, fa niaina fijaliana mandra-pahafatiny ilay za­zalahy vao enin-taona! Namoy ny ainy noho ny vono sy kapoka mahazo azy isan’andro izy, tamin’ny alatsinainy. Tompon’ an­toka ny ray aman-dreniny, izay monina etsy Ambodizana Ambohijafy, fokontany Tsara­honenana, kaominina Amba­nivohitra Fenoarivo. Nalevina antsokosoko izy rehefa tsy nisy aina intsony.
Tsikaritry ny mpiara-monina nirenireny eny amin’ny manodidina ilay zaza nandritra ny fotoana maharitra. Matetika dia ahitana ratra ny vatany. Tsy vitan’izay fa efa narary izy. Rehefa anontanian’ny mpiara-belona izy dia milaza fa kapohin’ny ray aman-dreniny. Tsy avelan’izy ireo raha tsy maratra.
Gaga ny mpiray tanana tamin’ny afakomaly. Tsy tazan’ny olona teny an-tanana intsony izy. Niely ny feo fa efa maty ilay zaza. Nahoraka fa efa nalevin’ny ray aman-dreniny antsokosoko ny razana. Niahiahy ny mponina, nampandre ny mpitandro filaminana sy ny sefo fokontany tao Tsarahonenana. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nitranga ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Ambohi­jafy.

Nanda
Nanomboka ny fanadihadiana. Nanda ny fiampangana azy ireo ho namono sy nandevina ilay zaza antsokosoko ny olona voampanga. Niova ny hevitra, nibaradaka sy niaiky ny helony ireto farany saingy nilaza fa maty nisy nanapoizina ilay zaza. Nalevin’izy ireo teny Itaosy. Nasaina nanoro ny toerana saingy tsy nety nandeha izy ireo. Nitohy ny fakana am-bavany, nanambara ny marina izy ireo. Nilaza fa nalevina teo akaiky trano hiasan’izy ireo ilay zaza.

Nampijaliana
Nofongarina ny razana. Nahitana ra teo amin’ny tarehiny. Tapaka ny tongony sy ny tanany nandritra ny fizahan’ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Fenoarivo. Noho ny vono nahazo azy avokoa ireo ka nitarika ny fahafatesana. Tao­rian’ny fanadihadiana rehetra, notanana sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny Zana­tobim-paritra Ambohijafy ny olona telo voarohirohy. Ha­tolotra ny fitsarana ny raharaha rehefa vita ny famotorana.

Mino

Partager sur: