INDRAIMBAVA 17/11/22

Mba saro-piaro !

Andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fanombohan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra na ny Mondial 2022.  Anisan’ny mampiavaka azy amin’ity taona ity ny toerana handraisana ny lalao sy ny kolontsain’ny mponina ao aminy: Qatar. Firenena silamo, sarotiny amin’ny fanajana ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ao aminy. Mety tsy ilay voambolana “sarotiny” aza no azo ilazana azy fa hoe “tia”. Fitiavany ny fireneny, sy firaiketana amin’ny maha izy azy, ary fikatsahana ny hanaparitaka ny fombany izay heveriny fa tsara.

Tsy hidirantsika lalina izay kajikajy isan-karazany ataon’ny Qatari izay, fa tari-dresaka, hoenti-misintona ny saintsika rehetra mba ho sarotiny amin’ity Madagasikarantsika ity fotsiny ihany. Tsy tokony hobaikoan’ny fitiavan-tena sy ny fikatramoana ny mpiray tanindrazana isika fa hikatsaka hatrany ny soa iombonana sy izay an’ny besinimaro. Ilaina ny fahaizana manasongadina ny an’ny tena, fa tsy ho takona na hotrandrahan’ny hafa. Manana herijika maro ny vahoaka malagasy, ahafahany mivelatra, raha miainga avy amin’ny harena voanjahary anatiny, sy ireo seha-pihariana manana tsena malalaka. Ilaina ny fanaovantsika ho vaindohan-draharaha ny fitrandrahana izay misy eo am-pelatanana.

Tsy mandeha ila anefa izany! tsy ampy ny finiavana hanao zavatra iray fa mitaky hoenti-manana sy tari-dalana matotra avy amin’ny mpitondra nomem-pahefana. Ny biby tsy manan-doha moa tsy mandeha rahateo, saingy tsy sanatrian’ny vava hitovy amin’ny loham-pary ka hatsatso. Mila mijoro ho ohatra velona, izay  olona napetraka ho maodelin’ny fiarahamonina. Tsy ho mpitari-bato vilam-bava, tahaka ny solombavambahoaka, mpanao lalàna kanefa manao tsinontsinona ny lalàna. Toraka izany ny mpanantanteraka, mihanona amin’ny tetikasa ambony latabatra fa tsy azo tsapain-tanana izay asa notanterahina. Lany andro amin’ny fametrahana drafitrasa sy famoronana fanamby vaovao ny ankamaroany.

Na izany aza, mitaky ezaka lehibe avy amin’ny Malagasy tsivakivolo koa izay fampandrosoana ny ao an-tokantranony sy ny fampandrosoana ny firenena. Asa sy vokatra no ilain’ny taninjakana sy ny taranaka amintsika tsirairay avy. Tsy politikan’ny kibo intsony, manoloana ny faharefoana sy ny fahantrana mangitsokitsoka ny kolontsaina miandry mahazo sy toloram-potsiny. Tomponantoka amin’ny fahombiazany na tsia ny isam-baravarana. Mitaky fahasarotam-piaro amin’ilay hoe “Firenena malagasy” sy ny soatoaviny. Tsy misy fandrosoana anatin’ny fahaverezan’ny maha izy azy izany!

r.r

 

 

Partager sur: