Tototry ny tany: mpitrandraka vato roa lahy namoy ny ainy

Vokatry ny ratsak’orana ampian’ny danik’andro! Maty nihotsahan’ny tany ny roa lahy mpitandrandraka vato, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly maraina.

Nanao ny asany toy ny isan’andro, nangady ny tany fangalany vato « Triphane » tao Ambalamahatsara Ratsima sy ny namany,  omaly maraina. Tsy nampoizin’izy mirahalahy ireto anefa ny zava-nitranga fa nihotsaka tampoka ny tany. Tamin’ny 09 ora maraina, nigorodana nanarona azy mirahalahy ny tany manodidina ny niasan’izy ireo. Niezaka nanavotra ny ainy, araka izany, ireto mpitrandraka vato ireo. Kinanjo, tototra ny lehilahy iray atao hoe Ratsima. Niezaka nanavotra azy ireo mponina teo amin’ny manodidina, saingy minitra vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza dia tsy tana ny ainy.

Nialana nenina tany amin’ny CSBII

Tetsy ankilany, niezaka nanilika ny tany nanindry azy ilay lehilahy faharoa ka tototra ny tany niaraka tamin-dRatsima. Niantsoantso vonjy sy nitazon’aina, avotr’ireo nanatri-maso ny loza ity farany. Torana tsy nahatsiaro tena intsony anefa izy ka voatery nentina nihazo ny CSBII tao Ambalamahatsara, io omaly io ihany. Niala nenina namerina ny ain’io lehilahy 24 taona io ny mpitsabo tao an-toerana. Na teo aza izany, maty vokatry ny voina nahazo azy koa ity mpitrandraka vato faharoa ity.

Tokony hatsahatra ny fitrandrahana

Nanoloana ny loza niseho tao Ambatonfinandrahana, omaly, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nanamafy ny kaomandy lefitry ny vondron-tobim-paritra, Lietnà Rabariarivony fa tokony hitsahatra ny asa fitrandrahana vato amin’izao fotoanan’ny orana izao. Notsindrian’ity farany fa mila mailo ireo mpitrandraka ireo hisorohana ny famoizan’aina tahak’izay nahazo ireto roa lahy ireto.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: