Misy birao manokana mandray ny fitarainana mikasika ny hetran-trano eny amin’ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra (CUA). Nilaza i Raharison Jaona, tompon’andraikitry ny vola ao amin’ny CUA, fa “anarivony ny fitarainana voaray ary efa novalian’ny Ben’ny Tanàna tsirairay avokoa. Andoavana hetra daholo ireo trano rehetra miorina eto Antananarivo araka ny lalàna, …, faritina amin’ny zava-misy amin’ny toetran’ny trano ny hetra takiana amin’ny tompon-trano”. Misy ny kajikajy momban’ny hetra na “Redevance sur les Ordures Ménagères” (ROM).
Vitsy ny mpandoa hetra
Tsiaivina fa ny taona 1997 fanaovana fanisana trano niorina farany teto an-drenivohitra. Ny 2019, tsapa fa tsy ampy ny fidirambolan’ny tanàna, satria vitsy ny mpandoa hetra.
Tsy tontosa hatramin’ny farany izany, ka notohizan’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina. Nanomboka ny fizarana ny taratasin-ketra ny 2021, ka niteraka savorovoro teo amin’ny mponina izany noho ny fidanganan’ny hetra. Tapaka ary fa hanangana vaomiera monisipalin’ny hetra na ny Comité Municipal des Impôts (CMI) ny CUA sy ny fiarahamonim-pirenena HCDED.
Nanazava i Ramilijaona Andry, lehiben’ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, fa “nasiana fanintsiana ny hetran-trano ary misy fiovana nandritra izay taona maro izay. Ny CMI no mamaritra ny tomban-ketra”» Nanamafy izy ireo fa tsy misy resaka fanararaotana ny mponina ny hetra.
Fitia (Mpianatra Asa)