Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora malagasy ny fidirana amin’ny fikambanana misehatra amin’ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Safidy ataon’izy ireny ny hiahy ny maha olona sy ireo marefo.
Tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpikambana sy misafidy ny hilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray. “Safidy atao ny mijoro hiahy ny maha olona mba hampanjaka ny soatoavina iombonana rehetra, toy ny firaisankina, ny tsy fitanilana, ary ny fahavononana hanampy ny vahoaka sy ny marefo”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny CRM, Rivoarimalala Aly Arlin, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao tetsy Antaninarenina, ny herinandro lasa teo. “Tsy azo atao ny miahy ny marefo raha tsy tanteraka izany rehetra izany”, hoy ihany izy. Manana ny toerany manokana ny fikambanana satria ny maha olona. Ahitana azy ireo avokoa ny fiantseharana amin’ny loza voajanahary, ny haintrano sy ny maro hafa, raha ny fanazavana voaray hatrany. « Tsy natao hitadiavana tombontsoa manokana ny antony hanaovana sy hirotsahana an-tsitrapo », hoy ireo mpikambana nanontaniana. Nilaza izy ireo fa ny antony nandrisika azy hiditra amin’ity sehatra iray ity dia ny finiavana hanome tanana sy hanampy ny mpiara-belona.
Ankoatra izay, manamavaina ny fanaintainan’ny mpiara-belona ny sampana mpamonjy voina izay hiseharana amin’ny filatsahana an-tsitrapo. Etsy ankilany, misehatra ao anatin’ny hamehana sy ny trangan-javatra misy eto Madagasikara ihany koa izy ireo. Mamonjy ny aina sy miantoka ny fahaveloman’ny olona iray mandra-pahatonga azy any amin’ny mpitsabo ihany koa. Ho azy ireo, eo ny tantsoroka amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza, izay iarahany miasa amin’ny mpamonjy voina hafa eto amin’ny Nosy. Mifamatotra sy mifanampy tanteraka amin’ny fanjakana ny asan’izy ireo manoloana ny fiahiana ny maha olona.
Miasa mafy rehefa vaninandro mahabe voina
Manetsika tanora maro hilatsaka an-tsitrpo ny fitondram-panjakana rehefa vanim-potoana mahabetsaka ny voina eto amin’ny firenena. Tamin’ny volana janoary 2025 lasa teo, napetraka ny Rezimantan’ny fikambanan’ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, taorian’ny fiofanana nomena azy ireo teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano. Nisitraka fiofanana momba ny fahaiza-misahana ny mety ho loza voajanahary miseho eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo, izay niisa 100 mianadahy. Avy amin’ny fikambanana maro izy ireo ary avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona, tamin’izany, ny hahafahan’izy ireo mamaly ny antson’ny fitondram-panjakana sy ny mpiray tanindrazana, raha sendra misy ny loza ara-boajanahary miseho.
Mahavotra aina maro ny fahafehezana ny asa
Miantoka ny fanatanterahana ny asa rehetra mandritra ny famonjena voina ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahafehezana ny asa ataon’izy ireo. Betsaka ny aina avotra sy ny takaitra voasakana vokatry ny loza. Mety hiteraka fahafatesana na takaitra hafa ho an’ilay olona raisina an-tanana mantsy ny tsy fahafehezana izany na ny tsy fahampiana traikefa eo amin’ny olona iray, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tanjona ny hanenana ny fanaintainan’ny olona manoloana ireo loza voajanahary mitranga maneran-tany sy manerana ny Nosy. Tsy maintsy omena fiofanana izy ireo rehefa miditra amin’izay sehatra izay. Mba hahamatihanina ny asa sy mahafeno ny fepetra ilaina rehetra amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo.

Nofaranana ny Andro maneran-tany
Natao tetsy Antaninarenina, ny herinandro lasa teo, ny famaranana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny CRM. Efa nisy ny fankalazana isam-paritra talohan’izao. Lohahevitra ny hoe: “miahy ny maha olona”. Nisy ny hetsika samihafa natao teny an-toerana. Teo ny fampirantiana mahakasika ny asa ataon’izy ireo, ny fitiliana maimaimpoana ny diabeta, tuberculose, fitsapana tosidra… Maro ny fikambanana misehatra amin’ny fanaovana filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara, anisan’izany ny « Croix Rouge malagasy ». Fikambanana miasa ho an’ny tombontsoa iombonana izy io, araka ny didim-panjakana 63-489, tamin’ny 07 aogositra 1963, izay natsangan’i Tsiebo Calvin, filoha lefitra voalohan’ny Repoblika voalohany. Manodidina ny 10 333 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny fikambanana hatramin’izao, raha ny fanisana farany natao tamin’ny taona 2023.
Efa ahitana mpilatsaka an-tsitrapo avokoa manerana ny faritra sy distrika rehetra eto amin’ny Nosy. « Ampy sy mahasahana ny famonjena voina, fa ilaina ny fanampiana ny traikefa eo amin’izy ireo », hoy Razanamandimbisoa Tantely, mpikambana ao amin’ny CRM, sady solombavambahoaka. Tsy maintsy omena fiofanana avokoa ny olona iray raha vao miditra ao anatin’ny fikambanana. Anisan’izany ny vonjy taitra, fiofanana amin’ny fahaiza-manao manokana ilaina. Nanao tantsoroka amin’ny sehatry ny fahasalamana nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19 ireny, ohatra. Tafiditra ao anatin’izany ny famonjena voina sy fitantanana ny loza ary ny tandindonin-doza eto amin’ny firenena sy ivelan’i Madagasikara.
Nanatontosa : Mino




