Trangam-piarahamonina sady mateti-pitranga no mampivarahontsana amin’izao fotoana izao ny vono olona etsy sy eroa. Samy manana ny antony avokoa ny rehetra fa ny iraisan’izy ireo dia baikoan’ny tombontsoa manokana, ka miafara amin’ny fanaovana sorona ny ain’ny hafa. Manginy fotsiny ny tendrom-po tsy mba namana miaro fikorontanan-tsaina. Ny lonilonim-piarahamonina tsotra, vokatry ny adim-piainana dia asiana tsindrim-peo mihitsy. Maro tsy ho voatanisa e!
Mihorona ny hodi-doha mahita ny fatin’olona mitsipatsipaka. Fotoana mahatonga saina, mampametra-panontaniana amin’ny zotra handehanan’ny fiainan-dRamalagasy. Mainka moa fantatra ny anton’ilay heloka bevava. Jereo fotsiny, itony mpihira malaza novonoin’ny vehivavy sakaizany ihany, noho ny tombontsoa sy ny fitiavana diso toerana. Asa mety hisy ifandraisany amn’ilay vaovao milaza fa dia Malagasy iray amin’ny roa no manana aretin-tsaina na mikorontana ny zanak’atidohany angamba?
Maro ny hodidina tsy maintsy jerena manoloana io trangam-piarahamonina iray io, saingy fototra tsy maintsy tomorina akaiky ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Rehefa noana ny vatana mivezivezy ny fanahy. Ny tsinay tsy mba vatsy, ny kibo tsy mba lamosina rahateo. Izay no maharava ny fifampitokisana amin’ny zava-drehetra eo amin’ny samy Malagasy. Lasa alohan’ny maha olombelona ny kajikajy isan-karazany. Ireny anefa no poizina goavana, mahatonga ny tsikalakalam-bola hisongona ny an-drafihavanana. Mihevitra ny rehetra fa vitan’ny vola daholo ny zava-drehetra. Eny! Hatramin’ny fanaovan-dratsy aza voadiony, tahaka ny tsy misy. Tsy gaga isika, raha mahazo vahana ilay tsimatimanota sy ny fizahozahoana ataon’ny olon-dratsy.
Vola! Nahoana tokoa isika no voagejany? Toa tsy mba manam-pidiny amin’izay tiany hanaovany antsika. Tena very tanteraka ny hasin’ny aina. Feno fahasahiana mamono olona na lahy na vavy kanefa re dia nampalaza ny Malagasy izany fitandrovana ny aina sy ny fitohizan’aina izany. Tsy hita izay ho ampangaina ho tompon’antoka amin’izany, satria na ny lohany sy izay heverina ho arofanina aza izao tsy mahatohitra ny fakam-panahy vao resa-bola no miainga eo. Toe-javamisy, iarahan’ny rehetra miaina, izay tokony hahitam-bahaolana aingana sy atao hamehana. Saingy indrisy, mbola tsy lohalisitra ho an’ny sarambabem-bahoaka ny momba ny filaminana sy fandriampahalemana ary ny ny ady amin’ny herisetra mahafaty, miseho amin’ny endriny rehetra izany. Vola…vola…vola aloha!
Marary isika, mila fanasitranana, saingy mitaky faharesena lahatra goavana, ny hamongotra ny fahavalon’ny fiarahamonina sy poizina ho an’ny mpiray tanindrazana. Tsy maintsy mitady ny very isika dia ilay maha olombelona antsika, raha te hiala ny ziogan’ny “ratsy sy fahalovana”
r.r