Nanao tatitra ny zava-bitany taona 2021 ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ho an’ny fitaleavam-paritra Antananarivo, omaly, teny Ambohibao. Nisongadina ny nanatanterahana ny fanitsiana ara-drafitra sy ireo tranga samihafa tsy fanarahan-dalàna.
Fanabeazana, fisorohana ary fanatanterahana ny lalàna no singa fototra entina miady amin’ny kolikoly. Tetikady napetraky ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’izay no nanatanterahan’ny Bianco ny asany sy ny tatitra nataony ho fampandraisana anjara ny sehatra rehetra.
Ho an’ny fanabeazana, nisy ny fampidirana ny fiadiana amin’ny kolikoly ao anaty fandaharam-pianarana ho an’ny eny amin’ny ambaratonga fototra, ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana mitaiza tanora sy fananganana tambajotra miady amin’ny kolikoly ary fiaraha-miasa amin’ny tanora eny amin’ny Oniversite. Tsy natao ambanin-javatra ny fiangonana sy ny fanofanana ny mpanao gazety ny amin’ny fanentanana ny ady amin’ny kolikoly.
Natsangana ny sehatra anatiny miady amin’ny kolikoly eo amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny miankina amin’ny fanjakana ho an’ny fisorohana. Tanjona ny hanafoanana ny hirika hiteraka kolikoly eny amin’ny rafi-panjakana. Niaraka tamin’ny fampiofanana sy tantsoroka ary fanjohiana izany fananganana ny rafitra anatiny izany ny mpisehatra. Teo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny haino vaky jery ho an’ny seraseran’ny fiadidiana amin’ny kolikoly.
Nidina 822 ny isan’ny fitorohana voaray, ny taona 2021. Ny 380 tamin’ireo anefa no nanaovana fanadihadiana. Antony ny tsy fahitana taratra ny kolikoly amin’ny fitorohana sasany. Ny fanararaotam-pahefana no naharaisan’ny Bianco fitarainana betsaka indrindra ho an’ny fitaleavana iraisam-paritra Antananarivo. Nahatratra 57 izany. “Isika rehetra no miara-miasa hanafoanana ny kolikoly”, hoy Rakotoarisoa Faramalala, talen’ny fitaleavam-paritra iraisam-paritra Antananarivo.
Lin (Mpianatra asa)