Ringana tsy ahitana taranany intsony ny 17 amin’ireo karazana varika anjatony hananan’i Madagasikara, araka ny famelabelarana nataon’ny filohan’ny “International Primatological Society” na ny IPS, Pr Ratsimbazafy Henry Jonah, tetsy amin’ny Oniversite Ravelojaona, Ampandrana, omaly. “112 karazana ireo varika eto Madagasikara amin’izao fotoana”, hoy izy. Noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ahina ho ripaka koa ny 95 %-n’ireo biby ireo afaka 30 taona. Miainga amin’ny fanentanana ireo tanora ny fikolokoloana ny tontolo manodidina sy ny fiarovana io karazam-biby arovana sy ahina ho lany tamingana io. Isan’ny lohahevitra noraisaina hoe : “Azon’ny tanora malagasy atao ve ny miaro ny varika izay biby ahina ho lany tamingana? Amin’ny fomba ahoana? “
Tanora tomponandraikitra
Nisintona lesona avy hatrany ireo tanora nanatrika ity hetsika omaly ity. Toa an’i Tafitasoa, mpianatry ny lisea Jules Ferry. “Tokony ho tonga saina ny tanora tsirairay satria miankina amintsika ny ho avin’ireo varika ireo”, hoy izy. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra mandritra ny fahatanorana, ho very ary tsy hahita intsony ireo karazam-biby miavaka ireo ny taranaka any aoriana. Firenena faharoa manana karazana varika betsaka indrindra maneran-tany aorian’i Bresil i Madagasikara. Nanatrika izao hetsika izao ny masoivohon’i Grande Bretagne sy ireo tomponandraikitra hafa. Nahatratra 385 ireo mpianatra niatrika ity fizarana momba ny varika tontosa omaly ity.
Tsiferana Randriatiana