Manoloana ny fampiakaran’ny Amerikanina ho 47 % ny hetra haloa amin’ny entana avy aty Madagasikara, mijoro ny governemanta. Mandeha ny fitadiavam-bahaolana!
Toy ny vara-datsaka ny vaovao, niely manerana izao tontolo izao, omaly! Firenena maromaro no namoahan’ny fanjakana amerikanina fanambarana mahakasika ny fiakaran’ny hetra. 47 % izany ho an’ny entana avy aty Madagasikara. Manoloana izany, nisy avy hatrany ny fivoriana natao omaly, tao amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy.
Nandray anjara, tamin’izany, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitaka. Niaraka tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Hasimbelo Rindra, izy. Nanampy azy ireo ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David. Nanatrika izany koa ny Tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafivanona, sy ny lehiben’ny masoivoho malagasy any Etazonia, Lanto Rakotomalala.
Tsy mikely soroka
Tanjona tamin’ny fivoriana ny fandinihana ny ho fiantraikan’ity fepetra vaovao ity amin’ny toekarena malagasy, andaniny. Ny fametrahana paikady hentitra hiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara, ankilany. Nisy ny dingana diplaomatika niarahan’ny rehetra nanao. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny alalan’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara. Eo koa ny nahazoana fanazavana sy nanadihadina ny fahafahana manitsy ny sakana ara-ketra vaovao. Hitohy ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana eo amin’ny firenena roa tonta.
Ankoatra ny lafiny diplaomatika, hampiasa ny fitaovana ara-barotra rehetra ananany ny governemanta malagasy mba handresena lahatra amin’ny fanitsiana. Marihina fa anisan’ny vokatra aondran’ i Madagasikara any Etazonia ny lavanila sy ny mahakasika ny resaka lamba. Hiezaka ny hitady ny fomba hampidirana ireo vokatra malagasy any Etazonia amin’ny fomba ara-drariny sy mifanaraka amin’ny fifanajana iraisam-pirenena ny governemanta. .
Njaka A. sy R.Nd




