Hanomboka rahampitso 22 novambra 2022, any Cape Town Afrika Atsimo ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana amin’ny BAL (Basket Ball Africa League), ho an’ny vondrona F misy ny Cospn Madagasikara. Ankoatra ireo mpilalao eto an-toerana sy ilay Amerikanina efa niaraka hatramin’izay tamin’ny Cospn, i Rashawn Joel Langston, hisy Amerikanina iray ihany koa hanatevin-daharana ny ekipa malagasy, i Bishop Michael Counter, mirefy 2m01. Izany hoe, roa izany ny mpilalao amerikana mandrafitra ny lisitra ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, hiatrika ny lalao manomboka rahampitso ity. Manantena ny hahazo vokatra tsara ary ho tafiditra ao anatin’ny 3 voalohany ao amin’ny vondrona misy any, ny Cospn, mba hahafahana miakatra amin’ny dingana farany. Tsiahivina fa ny asabotsy lasa teo no nanainga ny delegasiona malagasy, nahitana mpilalao miisa 12, staff teknika 5 ary mpitantana 2. Tsara fiomanana ny mpilalao, izay efa nivondrona fotoana naharitra niaraka.
Mi.Raz