Tafita hiatrika ny famaranan’ny UEFA Nations Ligue, taranja baolina kitra, any Eoropa, i Espagne sy Portugal. Hotontosaina ny alahady ho avy izao moa izany, any Allemagne ihany. Tsiahivina fa i Espagne no tompondakan’i Eoropa farany teo.
Nalaza sy nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera ny resaka fampivondronana ny Barea de Madagascar any France, ny alakamisy lasa teo. Araka ny fantatra, niala tao anaty fampivondronana i Loïc Lapoussin sy Ilaimaharitra. Antony izany ny resaka tambin-karama tsy voaloa efa tany amin’ny volana novambra sy marsa.
Nodimandry omaly, ny Sensei Armand, eo amin’ny taranja karate. Nanana ny maha izy azy teo amin’ity taranja ity izy ary nanangana ny MSKA izay niova ho MJKA (Madagascar Japan Karate Association) taty aoriana. Izy ihany koa no nitondra an’i Sensei Lautier voalohany teto Madagasikara.
Taorian’ny tsy nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny “Jeux Paralympiques 2024”, niverina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy. Anisan’izany ny andiany faha-7 amin’ny “Handisport Open Paris 2025”. Fihaonana notanterahina tany an-toerana, ny 2 ka hatramin’ny 5 jona lasa teo.




