Lanonam-panokafana: nakotroka sady nampiaiky izao tontolo izao seho

Namirapiratry ny jiro maroloko ny kianja Al-Bayt tao Al Khor, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2022”, taranja baolina kitra. Ankoatra izay, mitovy lenta amin’ny lalao Olympika ny zava-nisy. Nakotroka ary tena nampiaiky izao tontolo izao ny seho rehetra. Anisan’ireny ny dihy sy ny fihetsika mirindra nataon’ireo mpilatro. Nifangaro tamin’izany ny kolontsaina maneran-tany sy ny fomba fanao Katarianina.

Anisan’ireo nanafana ny hetsika i Jungkook, iray amin’ireo mpihira K-Pop, BTS Kaoreanina tatsimo. Nikalo ny “Dreamers” izy tamin’izany, izay hira famantarana ny “Mondial voalohany avy amin’ny “Moyen-Orient” ary any amin’ny tontolo Arabo. Nanampy azy ilay mpihira katarianina, i Fahad Al-Kubaisi. Nanomezan-boninahitra ireo ekipa 32, ity lanonam-panokafana ity. Nanatrika ny lanonana, Infantino Gianni, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA).

Partager sur: